• Cours de change
  • 4763.91 AR
  • |
  • $4463.31 AR
Copyright Image : © Rfi
Image
Vaovao

Fampianarana : Efa vonona avokoa ireo fiomanana amin’ny fanadinam-panjakana CEPE

14/06/2024 15:21 © Moov

Efa vita avokoa ny fanomanana mikasika ny fanadinam-panjakana CEPE telo andro alohan’ny hanatanterahana izany. Miisa 529 000 izy ireo manerana ny Nosy. Hotanterahina manerana ny Nosy ny 18 jona ho avy izao izany. Hiparitaka amin'ny foibem-panadinana miisa 2 057 sy trano fianarana 14 925 isa.

Hatao am-pilaminana

Raha ho an’ny fari-piadidiam-pampianarana (CISCO) Antananarivo Renivohitra manokana dia manamafy ny fiarovana ny laza adina izy ireo. Fotoana akaikin’ny androm-panadinana toy izao no tena hisehoan’ny olana mikasika izany laza adina izany. Araka izany dia nandray fepetra ny avy ao amin’ny CISCO ny amin’ny fiarovana izany mba hahafahan’ny ankizy miatrika ny fanadinana am-pilaminana. « Efa tena akaiky mihitsy ny daty vao alaina daholo ny laza adina mba hisorohana ny fiparitahan’izany mialoha. Efa vonona avokoa ny ara-teknika rehetra ka tsy misy ny olana tokony hiseho », hoy i Lalaina Ramananantony, Lehiben’ny CISCO Antananarivo Renivohitra. Tafiditra ao anatin’ny fandaminana sy ny fisorohana ny olana ihany koa ny fiarovana ny taratasy fiantsoana. Marihina fa efa niparitaka avokoa ny taratasy fiantsoana amin’izao fotoana izao. Mbola misokatra hatrany anefa ny eo anivon’ny CISCO mandritra ity faran’ny herinandro ity handraisana ireo fitarainana sy fangatahana ireo taratasy fiantsoana raha misy ny olana.

Sahirana amin’ny taranja frantsay

Ankoatra ny fanomanana ara-teknika dia efa miomana ihany koa ireo mpiadina. Amin’izao fotoana izao dia mbola milaza ireo mpianatra fa mbola sahirana amin’ny taranja frantsay. « Tsy maintsy manao famerenana amin’ny laza adina maro mandritra ity faran’ny herinandro ity mba ho hay tsara ilay frantsay », hoy ny solontenan’ireo mpiadina. Ny famoronan-dahatsoratra ao anatin’io taranja io no tena mbola lesoka ho an’ireto mpiadina ireto. Marihina ihany koa moa fa ity no fanadinam-panjakana voalohany indrindra atrehin’ny mpianatra ka tsy maintsy raisiny ho zava-dehibe. Etsy andaniny dia manoro hevitra anefa ireo manam-pahaizana momba ny fampianarana fa efa tsy fotoan’ny famerenana intsony ny akaikin’ny datim-panadinana toy izao fa tokony efa maka aina.
Miisa 27 571 ny mpiadina eto amin’ny CISCO Antananarivo Renivohitra ary mizara amin’ny foibem-panadinana 42. Zaza 5 taona no zandriny indrindra ary 46 taona kosa no zokiny indrindra amin’izany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo