• Cours de change
  • 4763.91 AR
  • |
  • $4463.31 AR
Copyright Image : © Wwf Madagascar.Jpg
Image
Vaovao

Tontolo iainana : Manamafy ny ady amin’ny kolikoly sy ny fanondranana an-tsokosoko ny zavamananaina ny Mpitsara

14/06/2024 13:30 © Moov

Ny 15 Mai hatramin’ny volana jolay dia manantanteraka fiofanana ireo mpitsara malagasy. Tanjona amin’izany ny hanamafy hatrany ny ady amin’ny kolikoly sy ny fanondranana an-tsokosoko sy tsy ara-dalàna ny zavamananaina dia. Solontenan’ireo mpitsara rehetra manerana ny Nosy no manatrika izany.

Fandaharan’asa telo

Ahitana fandaharan’asa miisa telo ao anatin’izany fampiofanana izany. Ao anatin’izany ny ady amin’ny kolikoly sy fanondranana an-tsokosoko sy tsy ara-dalàna ny zavamananaina dia. Ao ihany koa ny ady amin’ny “criminalité transnationale organisée” sy ny fomba fanaovana fanadihadiana ary ny ny fanadihadiana ara-bola. Ny tanjon’izao fiofanana izao dia ny hanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpitsara manoloana ireo trangana kolikoly sy fanondranana antsokosoko sy tsy ara-dalàna ny zavamananaina dia sy ny fahazoana ny lalàna sy fitsipika mifandray amin’izay eo amin’ny firenena sy ny sehatra iraisam-pirenena. Manana anjara toerana lehibe amin’ny fampiharana ny lalàna sy fiarovana ireo karazanjavamananaina ireo ny Mpitsara. Marihina moa fa tao anatin'ny folo taona farany izao dia niatrika firongatry ny varotra bibidia tsy ara-dalàna ny firenena. Ansian’izany ohatra ireo sokatra sy varika izay nogiazana any Thailande vao haingana izay. Matetika dia ny kolikoly manjaka be loatra no tena miteraka ireny fanondranana antsokosoko ireny ka izay indrindra no anton’izay fampiofanana izao.

Andraikitra hiombonana

Harena hiombonana ny karazanjavamananaina, asa hiombonana ihany koa araka izany ny fiarovana azy. Manana andraikitra lehibe amin’izany ny mpitsara. Nohamafisin’ny avy ao amin’ny WWF Madagascar izany amin’ny alalan’ny filana ity atrikasa ity : « Manana ny anjara andraikiny ny tsirairay manoloana ny fahasimban’ny karazanjavamananaina. Manana anjara toerana lehibe amin’ny fampitsaharana io loza io ny fitsarana. Tanjona amin’ity atrikasa ity ny hampitaovana azy ireo amin’ny fahalalana ilaina amin’ny fiatrehana izao andraikitra lehibe izao", hoy i Voahirana Randriambola, avy ao amin’ny WWF. Nanamafy izany ihany koa ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fitsarana ny amin’ny maha zava-dehibe ity fiofanana ity. Hahasoa antsika amin’ny fanatsarana ny biodiversité eto Madagasikara ity fiofanana ity, hoy ny lahatenin’ny solontenan’ny avy ao amin’ny Ministera.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo