• Cours de change
  • 4763.91 AR
  • |
  • $4463.31 AR
Copyright Image : © Arphine R
Image
Vaovao

HCC - Fifidianana Solombavambahoaka : Tontosa ny fihainoana an'i Mily sy Lalatiana Rakotondrazafy

14/06/2024 13:13 © Moov

Nametraka fitarainana teny amin'ny HCC ny kandidam-panjakana maromaro mikasika ny vokapifidianana vonjimaika. Miisa roa ireo kandida niatrika audience publique teny amin'ny HCC androany 14 jona. Amin'izao ora anoratanay izao (1 ora atoandro), ny fihainoana an'i Mily sy Lalatiana Rakotondrazafy no tontosa. Mbola miatrika ny anjarany i Afakandro Christian.

Ny raharaha tao Faratsiho no tena nanintona ny sain'ny maro. Raha ny vokatra vonjimaika navoakan'ny CENI mantsy, i Nomenjanahary Ramilison (Mily), kandida natolotry ny Vovonana Firaisankina, no mitarika amin'ny salan'isa 45,29%. Manaraka azy kosa i Lalatiana Rakotondrazafy, avy amin'ny IRMAR, nahazo ny salan'isa 40,64%. Tsy manaiky izany vokatra izany ny kandida faharoa, sady milaza manana porofo mikasika ny tsy fanarahan-dalana nataon'ny mpifaninana aminy. Rehefa nivoaka ny HCC i Mily, dia nanambara fa tsy hanaiky hatramin'ny farany ny tenany satria nofidian'ny vahoaka. Zanatany any Faratsiho (Vinany Atsimo) mihitsy ny tenany, efa ben'ny tanàna teo aloha ary tsy nizara vola nentina nanodinkodinana sy saim-bahoaka. Tsy naneho hevitra kosa i Lalatiana Rakotondrazafy.
Ho an'i Mahajanga I indray, 26,45% monja ny salan'isa azon'ny kandidan'ny IRMAR, Lalao Rahantanirina. Nahazo 44,52% kosa ny kandidan'ny Firaisankina, Afakandro Christian. Tsy mbola fantatra moa ny valin'ny fitsarana androany, fa samy miandry ny fivoahan'ny vokatra ofisialy.

Vokatra ofisialy

Voka-pifidianana vonjimaika ihany no navoakan'ny HCC. Mbola tsy afaka mifaly ireo nahazo vato ambony indrindra satria mbola misy ny fizahana ireo fitarainana voaray rehetra. Mety hisy fiovana araka izany ny voka-pifidianana ofisialy, indrindra raha nametraka fitoriana ireo kandida amin'ny toerana nilatsahana ho fidiana.
Ahiana ny hisian'ny korontana raha toa ka hahazo vahana indray ireo kandidan'ny IRMAR. Marihana fa hatreto dia efa lasan'izy ireo ny toerana maro an'isa ao amin'ny Antenimierampirenena. Ny avy amin'ny vovonana Firaisankina moa no tena mifandona amin'ny IRMAR. Misy ihany koa nefa ireo kandida tsy miankina misedra olana. Anisan'ny andrasan'ny maro ihany koa ny fanapahan'ny HCC mikasika ny fifidianana tao Ambatofinandrahana. Hatreto aloha dia tsy ho tafaverina eny Tsimbazaza intsony ny filohan'ny Antenimierampirenena teo aloha, Christine Razanamahasoa. Andrasana avokoa ny valin'ireo fitarainana voarain'ny HCC, na ny avy amin'ny kandidan'ny IRMAR, na avy amin'ny antoko mpanohitra na avy amin'ny mahaleotena.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo