• Cours de change
  • 4763.91 AR
  • |
  • $4463.31 AR
Copyright Image : © Who Africa
Image
Vaovao

Fahasalamana : Manokana 5 andro hanaovam-bakisiny ny zaza latsaky ny 5 taona indray ny Ministera

14/06/2024 12:29 © Moov

Ao anatin’ny fanatratrarana ny tanjona hamitana vakisiny ny zaza rehetra manerana ny Nosy ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka. Ny 17 hatramin'ny 21 jiona ho avy izao no hanaovana izany hetsika manokana izany manerana ny Distrika 56. Atao vaksiny avokoa hatramin'ireo zaza 12 volana ka hatramin’ny 4 taona sy 11 Volana izay mbola tsy nisitraka ny vaksiny na indray mandeha aza.

Faritra miisa 20

Ireo zaza rehetra mbola tsy nahazo vakisiny mihitsy no hisitraka ity hetsika manokana ity. Distrika 56 ao anatin’ny faritra miisa 20 no ahitana izany ary maimaim-poana avokoa ny hetsika. Tafiditra ao anatin’izany ny faritra Matsiatra Ambony, Vatovavy, Betsiboka, Amoron’i Mania, Atsinanana, Analanjirofo, Boeny, Analamanga, Atsimo Atsinananana, Diana, Sava, Sofia, Fitovinany, Ihorombe, Atsimo Andrefana, Androy, Anôsy, Itasy, Bongolava, Vakinankaratra. Tsara ny manamarika fa ilain’ny zaza hanamafy ny hery fiarovany ny vakisiny ary hanampy azy ihany koa amin’ny fitomboany rehefa aoriana kely. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny iray volan’ny ankizy ity hetsika ity. Tsara ny mampatsiahy ihany koa fa zo fototra tokony sitrahin’ny ankizy ny hahazo fitsaboana araka ny tokony ho izy ka tafiditra ao anatin’izany ny fanaovam-bakisiny azy ireo. Araka izany dia tokony entina manao vakisiny avokoa ny zaza izay maimaim-poana eny anivon’ny Hôpitaly.

Fandaharan’asan’ny Fitondram-panjakana

Tafiditra ao anatin’ny fandaharan’asan’ny fitondram-panjakana ihany koa ny hanaovam-bakisiny ny zaza rehetra izay mbola tsy nahazo izany. Marihina fa ny vadin’ny Filoham-pirenena no Reny miahy ny fanaovam-bakisiny eto Madagasikara. Efa nilaza ny tenany fa hanao ny ezaka rehetra hahafahana mampisitraka vakisiny ny zaza rehetra. Raha ny tarehimarika farany dia niiba ny tahan’ny fahavitana vakisiny nanomboka ny taona 2020. Maherin'ny telo hetsy ny zaza latsaky ny iray taona no tsy nahazo vaksiny, izay tafiditra ao anatin’ny ampahatelon'ny ankizy amin'ity sokajin-taona ity izany, hoy ny avy ao amin’ny UNICEF. Tanjona araka izany ny hamerenana izany amin’ny laoniny indray sy hanatsarana azy indrindra indrindra.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo