• Cours de change
  • 4763.91 AR
  • |
  • $4463.31 AR
Copyright Image : © Medd
Image
Vaovao

Fahaverezan-tsolika an-dranomasina : Miofana ireo mpisehatra, ho fisorohana ny fandotoana

14/06/2024 12:00 © Moov.Mg

Manana lanja stratejika eo amin'ny lafiny ara-tsosialy, ara-toekarena ary ara-tontolo iainana ny ranomasina. Zava-dehibe, noho izany, ny fiarovana sy fitahirizana azy mba haharitra. Natomboka omaly ny fampiofanana ireo mpisehatra mikasika ny fiarovana amin'ny fahalotoana ateraky ny solika an-dranomasina any amin’ny Faritra Atsimo Andrefana.

Ivon'ny fifandraisana ara-barotra

Mitohy androany ny fankalazana ny andro eran-tany ho an’ny tontolo iainana sy ny andro eran-tany iadiana amin’ny fiangazanana sy ny haintany, tanterahina any amin’ny Faritra Atsimo Andrefana. Taorian’ny fanokafana tamin’ny fomba ôfisialy omaly, dia nitohy avy hatrany tamin’ny fampiofanana sy ny fanazaran-tena ho an'ireo mpisehatra isan-tsokajiny mikasika ny fiarovana amin'ny fahalotoana ateraky ny solika an-dranomasina izany. Nitarika ny fotoana ny minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, Fontaine Max Andonirina, sy ny Goverinoran’ny Faritra Atsimo Andrefana, Tovondrainy Ranoelson Edally. Manan-danja ny fanamafisana fahalalana sy traikefa tahaka izao, satria manana fari-dranomasina midadasika i Madagasikara, izay ivon'ny fifandraisana ara-barotra iraisam-pirenena no sady mitahiry harena voajanahary maro iankinan'ny fiharian'ny Malagasy. Araka izany, zava-dehibe ny fiarovana ny fari-dranomasin’i Madagasikara, noho izy miantoka ny fampihodinana sy ny fampiroboroboana ny toekarena manga.

Vokatry ny loza

Araka ny fantatra dia maherin’ny 7 000 isa isan-taona ny sambo mifamezivezy ao amin’ny lakandranon’i Mozambika, izay mitondra solika hatramin’ny 350 000 000 taonina. Tena misy, araka izany, ny ambana mety hisian’ny fahaverezan-tsolika any an-dranomasina, vokatry ny loza, ohatra. Mila mivonona hatrany ireo mpisehatra, amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra malaky sy ny fanatanterahana ireo hetsika fanadiovana sy famerana ny fiparitahan’ny loto, raha sanatria mitranga izany. Miompana amin’ny fisorohana ny fandotoana avy amin’ny solika raha sanatria ka misy loza, araka izany, ity fampiofanana tanterahina any amin’ny Faritra Atsimo Andrefana ity. Ny Rantsana misahana ny Ady atao amin’ny Asa Fandotoana ny ranomasina amin’ny alalan’ny akoranafo (OLEP), izay rantsa-mangaika eo ambany fiahian’ny ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, no manatanteraka ity fampiofanana ity, izay maharitra 3 andro.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo