• Cours de change
  • 4763.91 AR
  • |
  • $4463.31 AR
Copyright Image : © Men
Image
Vaovao

Fanabeazana : Mizotra makany amin’ny fanavaozana ny fampianarana ny voka-pikarohan’ireo mpampianatra

14/06/2024 11:45 © Moov

Notanterahina teto Antananarivo ny 12 sy 13 jona teo ny fankalazana ny androm-pirenena momba ny fanavaozana ny fanabeazana (Journées Nationales de l'Innovation Pédagogique à Madagascar). Niompana tamin’ny fampiharana ireo fikarohana maro natao ho fanavaozana ny kalitaon'ny fanabeazana eto Madagasikara izany. Mpampianatra avy eto an-toerana sy frantsay ary mpikaroka momba ny fanabeazana maro no nanatrika izany

Mpampianatra mihavao

Anisan’ny mitondra anjara biriky lehibe amin’ny fampianarana ny mpampianatra. Azo lazaina ho manana ny adidy hatramin’ny 90% amin’ny fanabeazana izy ireo. Araka izany dia miainga amin’izy ireo ny fiovana. Izy ireo ihany araka izany no nikaroka ny fomba hanavaozana ny fanabeazana eto Madagasikara. Aman-jatony ireo mpampianatra, mpikaroka sy ireo manam-pahaizana amin’ny fanabeazana no nanolotra ireo voka-pikarohany ho amin’ity tanjona ity. Niompana tamin’ireo fomba hampiharana ny fikarohana nataon’izy ireo ity fotoana ity. Mbola misy ihany koa ireo fikarohana izay vao ho avoaka. Mpandray anjara sy manam-pahaizana manokana misehatra amin'ny fanabeazana ireo nametraka voka-pikarohana ireo.

Fampiroboroboana ny asa fampianarana

Araka ny famaritana izay navoitran’ny manam-pahaizana manokana momba ny fampianarana dia tsy ny fampidirana ny teknolojia nomerika amin’ny fomba fampianarana irery ihany no atao oe fanavaozana ny fampianarana. Tafiditra ao anatin’izany ny ny fampiroboroboana ny asa fampianarana sy ny fanolorana paikady hamelomana indray na hanatsarana ny fomba fanao ankehitriny. Paik’ady hanatanterahana izany ihany koa ny fanovana ny fampitana ireo fandaharam-pianarana eny anivon'ny sekoly miankina amin'ny fanjakana sy ireo miahy tena.
Tafiditra ao anatin’ny fandaharan’asa APPRENDRE ity fankalazana ity. Anisan'ny fanampiana atolotr’izany fandaharan’asa izany ho an'ireo firenena mpiara-miombon'antoka aminy ny fanohanana ny fikarakarana hetsika ara-tsiansa. Nofantenina manokana ireo izay mikendry ny fampahafantarana ireo fanavaozana ara-panabeazana. Ao ihany koa ireo mampiroborobo ny fikarohana eo an-toerana momba ny fanabeazana ary manamafy ny fifanakalozan-kevitra eo amin'ny ministeran'ny fampianarana fototra sy ny fampianarana ambony. Araka izany ity hetsika ity dia tokony hitarika amin'ny fanaparitahana tolo-kevitra mivaingana hanatsarana ny rafi-pampianarana sy fianarana eo amin'ny ambaratonga voalohany sy faharoa.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo