• Cours de change
  • 4763.91 AR
  • |
  • $4463.31 AR
Copyright Image : © Le Dauphiné Libéré
Image
Vaovao

Fahasalamana : 20 taona ny andro eran-tany ho an’ny mpanome ra

14/06/2024 09:43 © Moov.Mg

Marihina androany 14 jona 2024 ny faha-20 taonan’ny andro eran-tany ho an’ny mpanome ra. « 20 taona nankalazana ny fanomezan-drà : Mankasitraka an'ireo mpanome rà rehetra" no lohahevitra itondrana izany fankalazana izany, amin’ity taona ity.

Misy foana ny filàna

Isan-taona, tsy mitsahatra ireo mpitsabo sy ireo mpisehatra rehetra, manentana ireo tsara sitrapo mba hanome ra maimaim-poana, ho famonjena aina. 10 hatramin’ny 15 mn monja no faharetan’ny fanomezan-dra indray mandeha, nefa aina 3 no mety ho voavonjy amin’izany, hoy ny Sampandraharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny Fahasalamana eto Madagasikara (OMS Madagascar). Araka ny fanazavana tokoa mantsy dia tokony ho ampy isa ny olona mpanome ra an-tsitrapo matetika, mba tsy hotapaka mihitsy ny famatsiana ra, amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny toerana rehetra. Misy foana ny filàna momba ny ra, hoy ny fitaleavana misahana ny toby fitehirizan-dra eto Madagasikara : ny vehivavy bevohoka very ra eo ampiterahana, ireo voan'ny aretina tsy ampy ra (anémie), ireo tratran'ny lozam-pifamoivoizana ka very ra be, ireo tsaboina homamiadana ka mila ampidirana ra matetika, ireo mila fandidiana izay hatahorana ho very ra be... Tena maro izy ireo ary matetika tsy kitapon-dra iray fotsiny no ilain'izy ireo fa maromaro.

Tsy sarotra

Misy fizahana atao, mialohan’ny hanomezana ra. Tombony ho an’ny mpanome ra maimaim-poana izany, satria afaka mahalala ny toe-pahasalamany izy ary voaara-maso raha manao izany matetika. Maharitra 10 hatramin’ny 15 mn ny fotoana hakana ny ra, rehefa hita fa salama tsara ny mpanome ra, ka manodidina ny 450 ml ny ra alaina amin’izany, izany hoe : latsaky ny 10% amin’ny ra mikoriana ao amin’ilay olona. Maka aina 15mn eo ho eo rehefa avy alaina ra ary mihinana ody am-bavafo maivana. Afaka manohy ny fiainana andavanandro avy eo, fa fadiana kosa ny fampiasam-batana mafy. Ilaina ihany koa ny misotro rano betsaka, mandritra ny 24 ora aorian’ny nakana ny ra. Tokony ho tafaverina ny fahaverezan-drano, ao anatin’ny 36 ora taorian’ny nakana ra. Araka io fanazavana io dia tsy sarotra ny manome ra maimaim-poana, fa ny faharesen-dahatra sy ny finiavan’ny tsirairay no andrasana, indrindra amin’izao andro eran-tany ho an’ny mpanome ra izao.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo