• Cours de change
  • 4763.91 AR
  • |
  • $4463.31 AR
Copyright Image : © Us Embassy
Image
Vaovao

Metamorphose : Lamaody miaro ny tontolo iainana

14/06/2024 03:12 © Moov

Vahaolana iray hahafahana manena ny fandotoana sy ny vokadratsy ateraky ny lamaody ny « upcycling »

Lamaody ho an'ny tontolo iainana

Maintimolaly fito mianadahy eo amin'ny sehatry ny lamaody no nandray anjara tamin’ny hetsika, « International Visitor Leadership Program» (IVLP) 2020”. Mifantoka amin’ny fandraharahana eo amin’ny lamaody izany hetsika izany. Tontolo isan'ny tsy asian-teny matetika ny lamaody raha ny eto Madagasikara. Mitana ny 6% amin'ny fanjifana eran-tany kosa nefa izany raha ny fanadihadiana.
Metamorphose na fanaovana lamaody manaja ny tontolo iainana no anarana nomena ity ranty ity izay notontosaina tetsy amin'ny Lapan'ny Tanàna an’Antananarivo renivohitra. Tetikasa tohan'ny Ambasady Amerikana eto Madagasikara izy ity. Raha azavaina amin’ny fomba tsotra, ny « metamorphose» dia fanomezana aina sy endrika vaovao zavatra tsy miasa intsony, na efa tonta, na efa nilaozan’ny toetr’andro. Tsy misy akora tokony ho very fa betsaka no afaka havadika lamaody. Pataloha « Jeans » efa tonta, tapa-damba efa tsy miasa sy akora maro samihafa no narafitra ho tonga lamaody entina mianjaika indray.

Miara-miasa ho fampivoarana ny tontolo

Samy manana ny fomba fijeriny ny atao hoe "Metamorphose, lamaody tompon' andraikitra" ireo mamorona nandray aniara tamin’ny hetsika. Ny fahatsapana ny maha zava-dehibe ny fiaraha-mientana amin'ny fiarovana ny tontolo iainana kosa no iraisan'izy ireo ao anatin'ity ady iray ity. Naharitra roa andro teo ny fampirantiana, narahina famelabelaran-kevitra. Tanjona ny hanaitra ny sain'ny besinimaro momba ny fiantraikan’ny indostrian'ny lamaody amin’ny tontolo iainana. Raha ny nambaran'ireo mpikarakara, saika ireo tanora no hita liana tamin'ny hetsika.
Na ho an'ireo mpanjaitra na tia mampanjaitra : azo ampiasaina tsara ireny akanjo efa nampirimina hatry ny ela ireny, azo alaina na ny bokotra na ny hidy sy ny haingo isan-karazany. Tsy ferana ihany koa ny fampiasana lamba "friperie" ka maka irony "grande taille" irony hahazoana akanjo maro, na ho an'ny ankizy aza. Tsy adino ihany koa ny fitsitsiana amin'izao krizy sosialy izao na dia eo aza ny fiarovana ny tontolo iainana.

Mbola hisy moa ny fiaraha-midinika amin’ny Fitondram-paniakana, miaraka amin'ireo Ministera maro voakasiky ny tontolo iainana. Tanjona amin'izany ny hampidirana ny asan'ireo mpisehatra eo amin'ny tontolon'ny haihaingo ireo ao anatin'izay fanajana ny tontolo iainana izay. Mbola hisy ihany arak’izany ny hetsika hafa mifandraika amin’ny tontolon'ny lamaody ho karakarain’izy ireo.


Copyright Image : © US Embassy

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo