• Cours de change
  • 4763.91 AR
  • |
  • $4463.31 AR
Copyright Image : © Mv Sorakanto
Image
Vaovao

Sorakanto : Fialamboly anaty fanabezana

14/06/2024 03:09 © Moov

Notontosaina omaly 12 Jona 2024 tetsy amin’ny efitrano DOX-Tranombokim-pirenena ny velakevitra momba ny literatiora izay niarahana tamin’i RIMA, FANOJO ary TANA MIRANTY. Tanora mpianatra maro no tonga nanatrika ny hetsika. Marihina moa fa izy telo mirahalahy nanao ny famelabelarana dia samy Mpanoratra, Mpamakafaka no sady Mpanabe avokoa.

Fomba fiasa sy fahazarana isan’ny mampiavaka ny faribolana Sandratra hatramin’izay ny mitondra velakevitra mifandraika amin’ny fandaharam-pianarana, rehefa akaiky toy izao ny fanadinam-panjakana bakalorea. Izany no atao dia mba entina hanampiana ireo mpianatra amin’ny fanomanana ny fanadinana sy hanatevenan’izy ireo izay efa norantovina tany an-tsekoly nandritra ny taom-pianarana. Ny ahazoan’ny olom-pirenena indrindra ireo mpianatra, fanabeazana sy dahalalana mendrika ny tsirairay no tena imasoana.

Ilaina ny fananana mpanoratra manaraka ny toetrandro

Tao anatin’ireo velakevitra marobe nozaraina teny anivon’ny tranom-bokimpirenena, misy ireo lohahevitra niantefa bebe kokoa tamin'ireo mpanoratra. Isan’izany ny fametrahana ireo fanamby ho an’ireo Mpanoratra miatrika ny fironanan'ny mpamaky amin'ny kolo saina vahiny. Tokony hanana fahasahiana ny mpanoratra tsirairay hanao dingana amin’ny ambony kokoa. Tsy tokony hijanona fotsiny amin'ny fisalorana ny sata satria mahazo tombony amin'ny soratra avokoa na ny mpamaky na ny mpanoratra, na ny mpitrandraka, na ny Firenena. Manaraka izany, nisy dinika mikasila ny fitsinjarana ny zon'ny mpamorona sy ny fampahafantarana azy ireo fa misy ny zon'ny mpanoratra ho an’ireo izay efa mpikambana ao amin’ny OMDA.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo