• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ceni
Image
Vaovao

Voka-pifidianana vonjimaika, 05 jona (maraina)

05/06/2024 08:41 © Moov

Efa tonga eny amin’ny foiben’ny CENI Alarobia avokoa ny antontan-taratasim-pifidianana manerana ny Nosy. Ny fanamarinana ireo PV sisa no andrasana, hahazoana ny vokatra feno.

Ireo vokatra vonjimaika avy amin’ny faritra efatra indray no atolotra eto : Analamanga, Bongolava, Itasy, Vakinankaratra.

Antananarivo I

Tsy naharaisana fironam-bokatra

Antananarivo II

Tsy naharaisana fironam-bokatra

Antananarivo III

Tsy naharaisana fironam-bokatra

Antananarivo IV

Tsy naharaisana fironam-bokatra

Antananarivo V (BV 212/261 – 81,23%)

Fetra Ralambozafimbololona (Firaisankina) no mitarika, amin’ny salan’isa 41,19%. Laharana faharoa ny avy amin’ny IRMAR, Ranaivo Raholdina, nahazo 39,84%. Laharana fahatelo kosa ny avy amin’ny Kolekitifa, Harifidy Ramanandraibe, 18,97%.

Antananarivo VI (BV 124/137 – 90,51%)

Mbola azo antoka hatrany ny poa-droa ho an’ny depiote amperin’asa Todisoa Andriamampandry. 50,98% mantsy ny salan’isa azony hatreto. Manaraka zy ny kandidan’ny IRMAR, Tantely Razanamandimbisoa, 28,81%.

Antananarivo Atsimondrano (BV 483/624 – 77,40%)

Mitarika hatrany ny kandidan’ny Firaisankina, Voahangy Raharimanarivo, nahazo 42,13%. Laharana faharoa kosa ny avy amin’ny IRMAR, Andriniony Ratsivahinisolo, nahazo ny salan’isa 28,29%.

Antananarivo Avaradrano (BV 359/490 – 73,27%)

Benjamina Andriamosa, avy amin’ny Firaisankina, no nahazo ny salan’isa ambony indrindra : 42,62%. Manaraka azy ny kandida roa : Rijaniaina Thierry Radafindramaro (IRMAR) 29,61% sy Hajo Andrianainarivelo (Kolekitifa) 23,44%.

Manjakandriana (BV 239/242 – 69,88%)

Tery dia tery ny elanelan’isa amina kandida roa : Henri William Randriamanga (Firaisankina) 32,95% sy Fidy Bariniaina (mahaleotena) 31,73%.

Ambohidratrimo (BV 480/572 – 83,92%)

Mitarika hatrany i Maminiaina Solondraibe Rabenirina, nahazo ny 31,90%-n’ny vato manankery. Natolotry ny vovonana Firaisankina moa ny tenany. Kely ny elanelan’isa manasaraka azy amin’ny laharana faharoa, Fenohery Johnny Rakotoarisoa, IRMAR, nahazo 30,29%.

Andramasina (BV 78/179 – 43,58%)

Bina Andriamanjato, kandida mahaleotena, no mitarika hatreto. Nahazo 45,81%-n’ny vato manankery ny tenany. Misy kandida roa ao aoriany manana salan’isa mitovitovy : Ralaiary Rakotomanga (IRMAR) 26,88% sy Noelilalaina Ramalanjaona (Firaisankina) 20,88%.

Anjozorobe (BV 194/239 – 81,17%)

Tsy nahitana fiovana firy ny vokatra. Mbola kely hatrany ny elanelan’isa eo amin’ny kandida roa voalohany : Edison Razafintsihoarana avy amin’ny Firaisankina (31,15%) sy Manda Herilaza Ravelojaona avy amin’ny IRMAR (31%).

Ankazobe (BV 166/191 – 86,91%)

Harijao Percy Razafimandimby no be mpifidy indrindra hatreto. Nahazo ny 52,44%-n’ny vato manankery ny tenany. Manaraka azy kosa ny kandida natolotry ny IRMAR, Eddie Ramasiherison, 31,72%.

Tsiroanomandidy (BV 321/419 – 76,61%)

Harson Raholijaona, kandida mahaleotena, no mitana ny laharana voalohany, amin’ny salan’isa 55,03%. Manaraka azy ny kandida avy amin’ny Firaisankina, 15,38%, Jose Solonirina Ndimbiarisoa.

Soavinandriana (BV 156/227 – 68,72%)

39,90% ny salan’isa azon’ny kandida tsy miankina, Romeo Christophe Ramanantanana. Manaraka azy ny kandidan’ny IRMAR, Harizaka Razaiharimalala, nahazo ny 37,63%-n’ny vato manankery.

Arivonimamo (BV 201/393 – 51,15%)

Mitarika hatrany ny kandidan’ny FIVOI, Rajerison Antoine Randriamampianina. 78,23%-n’ireo mpifidy no nandatsa-bato ho azy. Lavitra tokoa ny elanelana satria 13,93% monja no azon’ny kandida laharana faharoa, Andriniaina Rakotondravoavy, avy amin’ny IRMAR.

Miarinarivo (BV 184/273 – 67,40%)

34,65% no azon’i Fetra Rakotondrasoa, kandida natolotry ny IRMAR. Manaraka azy ny kandida tsy miankina Bernard Ravelonjato, 27,72%.

Ambatolampy (BV 275/278 – 98,92%)

PV miisa 3 sisa no tsy voamarina raha ho an’Ambatolampy, faritra Vakinankaratra. Miady nefa ny lalao satria misy kandida roa izay mitovitovy ny isam-bato azony : Tianarivelo Razafimahefa (IRMAR) 36,68% sy Rakotomalala Miarintsoa (Indépendant) 36,74%.

Antsirabe I (BV 122/216 – 51,85%)

Mitarika hatrany ny kandidan’ny Firaisankina, 47,17%, Michel Jean François. Manaraka azy ny kandidan’ny IRMAR, Dsir Razafinimaro, nahazo ny salan’isa 32,06%.

Lire la suite

Articles Similaires