• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Telma
Image
Vaovao

Festival Sabotsibe : Telo andro ho fanasongadinana ny tsenan’omby any Mandritsara

31/05/2024 18:17 © Moov.Mg

Isan’ny mampalaza an’i Mandritsara ny tsenan’omby isaky ny sabotsy tapabolana. Manan-danja amin’ny toekarena sy ny kolontsaina any amin’iny Faritra Sofia iny ny omby, antony hanatanterahana ny Festival Sabotsibe any an-toerana.

Tsenan’omby lehibe

Andiany faharoa ny Festival Sabotsibe hatao any amin’ny Distrikan’i Mandritsara, Faritra Sofia, ny 14 hatramin’ny 16 jolay ho avy izao. Ny omby, izay mitana anjara toerana goavana ho an’iny Distrika sy iny Faritra iny, no hiompanan’ny hetsika rehetra hotanterahina any an-toerana. Any amin’ny 950 km miala an’Antananarivo no misy an’i Mandritsara. Any an-toerana no ahitana ny tsenan’omby faharoa lehibe indrindra eto Madagasikara. An’arivony maro ny omby mifamezivezy ao ao amin’ity Distrika ity mandritra izany. Tsy vitan’izany fa toerana mpamboly vary fahatelo eto Madagasikara ihany koa i Mandritsara. Mbola mampiasa omby betsaka ireo tantsaha any an-toerana amin’izany asa vary izany. Araka izany, tena manan-danja be amin’ny toekaren’ny Distrika sy ny Faritra Sofia iray manontolo mihitsy ny omby, ka nahatonga ny Mama Event, mpikarakara ny hetsika, nisafidy ny hanasongadina azy.

Tosika ho an’ny toekarena

Etsy an-daniny anefa, lasibatry ny dahalo ihany koa ny omby, ka mila fehezina ny lafiny fandriampahalemana. Azo heverina ho hetsika fanairana mikasika izany ihany koa ny Festival Sabotsibe. Ankoatra izay dia manana tanjona ny hanentana ireo mpiompy hampiroborobo hatrany ny fiompiana, indrindra ny ombivavy, ity hetsika ity, mba tsy hahalany tamingana azy ireny, amin’ny maha-zava-dehibe loatra azy amin’ny fiainan’ny mponina. Ary amin’ny maha-toerana ivezivezen’olona maro an’i Mandritsara mandritra ny tsenan’omby, dia hanararaotra an’ity hetsika ity ihany koa ny mpikarakara, mba hanentana momba ny fisorohana ny VIH/Sida, izay mahazo vahana any amin’ity Distrika ity. Manohana izao hetsika izao ny Telma Madagascar, izay marisika manome tosika ireo hetsika rehetra mety hampiroborobo ny toekarena sy ny kolontsaina eto Madagasikara. Ny Mbalika kosa dia hitondra vokatra karazany 9 mandeha amin’ny herin’ny masoandro, haranty sy hamidy mandritra ny Festival Sabotsibe.

Mpanakanto 12 isa

Araka izany dia hanankarena karazana seho sy hetsika ny Festival Sabotsibe. Voalohany amin’izany ny Carnaval manodidina ny tanàna, izay hanokafana ny hetsika, ny 14 jolay, harahin’ny kabary hifandimbiasan’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny. Hisy ihany koa ny famelabelaran-kevitra sy dinika, izay hisintonana fehinkevitra ho entina eo anivon’ny tomponandraikitra isan-tsokajiny, mba hampiroboroboana ny sehatry ny fiompiana sy fiarovana ary fivarotana ny omby. Tsy adino ny fampisehoana hotanterahin’ireo mpanakanto fanta-daza manerana an’i Madagasikara sy ireo mpanakanto zanaky ny Faritra. Misy 12 izy ireo no hanafana ireo telo andro hanatanterahana ny Festival Sabosibe, ka isan’izany i Lico Kininike, Siska, Din Rotsaka, Jean Rigo, Rootsman, Annicette, Salva Panga, sy ny maro hafa. Olona 30.000 no andrasana ho avy hanotrona ny Festival Sabotsibe.

Lire la suite

Articles Similaires