• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Jean-Claude Vinson
Image
Vaovao

Mikea : Foko manana ny fombany sy ny kolontsainy, miatrika ny tontolo maoderina

15/05/2024 17:00 © Moov.Mg

Tsy isan’ireo voatanisa ao anatin’ireo foko 18 ny Mikea, nefa dia isan’ny foko eto Madagasikara tena manana ny lanjany. Ireo Mikea no isan’ny mbola mitana ny fomban-drazan’izy ireo, amin’ny fiaimpiainana andavanandro, ka mila fanohanana izy ireo mba tsy hahafaty momoka ny fomba sy ny kolontsaina mampiavaka azy.

Nahatahiry ny kolontsainy

Raha ny nambaran’ny mpandinika maro dia ala midadasika, mety mahatratra hatrany amin’ny 3 500 km², eo anelanelan’i Toliara sy Morombe, any amin’ny Faritra Atsimo Andrefana, no misy ny toeram-ponenan’ireo Mikea hatramin’izay. Amin’ny ankapobeny, indrindra fahiny, dia mpifindrafindra toerana izy ireo fa tsy mijanona monina amin’ny toerana iray. Ny haza sy ny fiotazana no tena fivelomany ary isan’ny mampiavaka azy ny tsy fiankinany amin’ny loharano, fa ny rano tahirizin’ny vatana baobaba no fisotron’izy ireo. Mbola isan’ny voatazon’izy ireo ihany koa, ohatra, ny fomba famelomana afo amin'ny alalan'ny hazo ampifampikasohana. Noho ny toe-java-misy iainana ankehitriny anefa dia mihavery tsikelikely ireo mampiavaka ny foko Mikea ireo. Eo aloha ny fahapotehan’ny ala fonenany, noho ny fiovaovan’ny toetr’andro, ny doro tanety, ny fiitaran’ny toeram-ponenana sy ny toeram-pambolen’ny olombelona… Eo ihany koa anefa ny fandrosoana, izay manosika azy ireo hanaraka ny fomba maoderina, ka mahavery tsikelikely ny fiiziny (identité).

Manana sekoly

Nanomboka tamin’ny taona 2015 dia manana sekoly ny foko Mikea. Io no hany sekoly tokana an-dry zareo hatramin’izay ka hatramin’izao, izay naorin’i Jean-Claude Vinson, malagasy safiotra reinioney, izay mpamokatra mozika ary mpiaro sy mpanandratra mahafatra-po ny foko Mikea, filohan’ny fikambanana « Mikea Forest ». Nomena ny anarana hoe : Anaïs Vinson izany sekoly izany, izay manome fampianarana ny ankizy, toy ny any amin’ny sekoly rehetra mahazatra, fa mampianatra indrindra koa ny fomba sy ny kolontsaina mampiavaka ny foko Mikea. « Ny kolontsainay, ny kolontsain'ny ala, ny fiainana any anaty ala, dia manjavona… Izany no antony maha zava-dehibe ity sekoly ity, mba hitandrovana ny fomba amam-panao sy ny kolontsainay amin’ny maha-mponin’ny ala anay », hoy i Emmanuelle, mpampianatra amin’ny sekoly Mikea.

Iray volana ho an’ny Mikea

Fotoana natokana hanomezana vahana sy lanja ny foko Mikea ity volana mey 2024 ity. Maro ireo hetsika efa notontosaina sy mbola hotanterahina, mba ho fampahafantarana ity foko manan-danja loatra ity. Isan’izany ny famoahana tamin’ny fomba ofisialy ny boky nosoratan’ilay mpanoratra frantsay, Thierry Cron, mitondra ny lohateny hoe : « Mikea # Les derniers chasseurs-cueilleurs de Madagascar », lanonana notanterahina ny 4 mey lasa teo, tao amin’ny Fondation H Analakely. Nanomboka ny 7 mey ka hatramin'ny faha-29 jona kosa dia aranty ao amin’ny Institut Français de Madagascar ireo sary nalain’i Thierry Cron, miaraka amin’ireo fitaovana mampiavaka ny foko Mikea, izay tahiry manokan’i Jean-Claude Vinson. Ny zoma 17 mey izao, dia hampiantrano fampisehoana miavaka sy tsy fahita firy ny IFM Analakely, satria dia mpanakanto tena avy amin’ity foko ity, mpihira sy mpitendry nentim-paharazana, « Koike Mikea », no hiaka-tsehatra. Hialohavan’ny tafatafa ahafantarana bebe kokoa ireto mpanakanto ireto sy ny mampiavaka ny kolotsaina Mikea ny fampisehoana. Mbola hitohy ny sabotsy 18 mey kosa ny fampahafantarana ilay boky nosoratan’i Thierry Cron ary amin’io andro ihany koa sy amin’ny alarobia 22 mey, no handefasana ny horonan-tsary fanadihadiana notontosain’i Jean-Claude Vinson, mitondra ny lohateny hoe : « Les derniers des Mikea ».

Lire la suite

Articles Similaires