• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ceobusinessforum
Image
Vaovao

Toe-karena : Hotanterahina eto Madagasikara ny “CEO Business Forum Indian Ocean”

15/05/2024 12:35 © Moov

Handray ny hetsika « CEO Business Forum Indian Ocean » i Madagasikara amin’ny faha 14 sy 15 novambra ho avy izao. Hotanterahina eny amin’ny CCI Ivato izany ary Firenena maro manodidina ny Ranomasimbe Indiana no handray anjara miaraka amin’ireo mpiara-miasa maro avy eto Madagasikara na miankina na tsy miankina

Ny "GateNews.africa" miaraka amin'ny "Fédération des Chambres de Commerce et d'Industrie de Madagascar" (FCCIM) no mikarakara izany hetsika lehibe izany.

Toekarena eto amin'ny Ranomasimbe Indiana

Ho zava-dehibe amin’ity fotoana lehibe ity ny firesahana mahakasika ny toe-karena eto amin’ny Ranomasimbe Indianina. Hotedavina sy hojerena mandritra izany ny tombotsoa mety ho azo hoan'ny be sy ny maro na hoan'ny orinasa miankina na tsy miankina amin'ny fanjakana na ihany koa hoan'ny Fanjakana, indrindra fa ho antsika eto Madagasikara. Voaray amin’izany avokoa ny sehatra rehetra misy na madinika na salantsalany na vaventy. Araka izany ity hetsika ity dia manana tanjona lehibe ny hiantso ireo mpampiasa vola sy mpamatsy vola. Hitondra ny fanampiany amin’izany ny Ministeran'ny Jono sy ny Toekarena Manga, ny Ministeran'ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola ary ny Ministeran'ny Raharaham-bahiny. Firenena maro samy manana ny maha izy azy araka izany ireo mpandray anjara ireo ary hantenaina ny samy hitondrany ny maha-izy azy tsirairay ho an’izay mitady izany.

Omena sehatra manokana ny toe-karena manga

Raha ny lafiny toekarena Manga dia mbola tena malalaka ny sehatra afaka trandrahana hafahana mampiasa vola sy hiantsona mpamatsy vola satria efa misy ny paikady sy ny politika napetraka na PNIEB (Plan National d'investissement en Économie Bleue). « Paik’ady izay mifandrindra tsara amin'izao hetsika izao izany satria raha tsy hilaza ankoatra ny fametrahana indostria hafahana manodina ny harena anaty rano, ny resaka seranan-tsambo sy ny fitanterana an-dranomasina, ny angovo azo avy amin'ny rano, sns...mba hafahana mampitombo ny Toekarenantsika sy ny harin-karena faobe eto Madagasikara », araka ny nambaran'Andriamatoa Tale Jeneralin'ny Toekarena Manga eo anivon'ny Ministera tonga nisolo tena ny minisitra.

Lire la suite

Articles Similaires