• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ceni
Image
Vaovao

Fifidianana solombavambahoaka : Milamina ny fampielezan-kevitra sy ny fanomanana, hoy ny CENI

15/05/2024 12:28 © Moov

Roa herinandro taorian’ny fanombohan’ny fampielezan-kevitra, mbola tsy misy fitarainana voaray hoy ny avy ao amin’ny Vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI). Nisy fivoriana voalohany niarahana tamin'ireo mpikambana ao amin’ny rafitra tsy maharitra ho an'ny fifidianana Solombavambahoaka omaly. Nampahafantarina nandritra izany ny fandrosoan’ny fanomanana ny zotram-pifidianana amin’ny ankapobeny.

Nasiana fanatsarana

Misy ny fanatsarana natao raha ampitahaina amin’ny fifidianana Filoham-pirenena. Tsy mbola nisy ny fitarainana voaray amin’izao herinandro voalohan’ny fampielezan-kevitra izao araka ny fanazavan’ny filohan’ny CENI, Dama Arsène Andrianarisedo. Hatreto dia mbola mitohy hatrany ny ezaka mba hisorohana amin’ny fitarainana isan-karazany. Efa misy foana hoy hatrany ity tompon’andraikitry ny CENI ity ny fanentanan isan-karazany mahakasika ny lalaàna sy ny zon’ireo mpilatsaka ho fidiana sy ireo mpanaraka azy any amin’ny fampielezan-kevitra hataony any. « Manamafy hatrany izahay fa ny tanjona amin’izany dia mba hitohizan’izao fitoniana izao sy hialana amin’ny olana izay mety hisy », hoy hatrany i Dama Arsène Andrianarisedo. Mifanindran-dalana amin’izany tanjona izany ihany koa ity fivoriana ity izay natao ho fanajana ny didy aman-dalàna, ary koa ho an'ny mangarahara. Izay marihina moa fa ny CENI miaraka amin'ireo solontenan’ny kandida no mikambana ao anatin’izany rafitra izany. Hita tao ny solotenan’ny vovonana Firaisankina, Kolekitifa an'ny malagasy, IRMAR, AREMA, ary ny Parti Vert.

Tonga ara-potoana ny antontan-taratasy

Nampanantena ihany koa ity vaomiera ity fa tsy hisy ny olan aain’ny fahatongavan’ny antontan-taratasim-pifidianana. « Ho tonga ara-potoana eny anivon’ ny distrika ny antontan-taratasy entina miatrika ny fifidianana », hoy hatrany ny filohany. Tafiditra ao anatin’izany ny « bulletin unique », ny « procès-verbal », ny taratasy fandraisana ireo mpifidy (fiche de dépouillement) ary ireo taratasy hafa rehetra. Tsy hisy fahatarana ireo taratsy rehetra ireo ary amin’izao fotoana izao dia toerana efatra no efa naharay ny anjarany. « Naka fotoana malalaka mihitsy ny CENI hahafahana miala amin’ny oalana mety hiseho amin’ny fandefasana ireny taratasy ilaina ireny », hoy hatrany ity Tale ity nanohy.
Raha ny fantatra moa dia mifarana tanteraka anio 15 may 2024 ny lisitry ny mpifidy ho an’ny fifidianana solombavambahoaka.

Lire la suite

Articles Similaires