• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Vonjy Andriamanga
Image
Vaovao

Raharaha « primes exceptionnelles » : Asa an-terivozona 10 taona no sazin’ireo tale jeneralin’ny Jirama

15/05/2024 11:00 © Moov.Mg

Sazy henjana no nomen’ny Fitsarana ny tale jeneralin’ny Jirama teo aloha, Vonjy Andriamanga, sy ny tale jeneraly mpisolo toerana teo aloha, Rivo Radanielina : folo taona asa an-terivozona ! Fa inona tokoa moa ny zava-nitranga ka tonga hatramin’izao fanagadrana tomponandraikitra ambony izao ? Andao hotsiahivintsika ny tantara.

Tambin-karama mihoa-pampana

5 novambra 2021, nisy lisitra niparitaka tao anaty tambajotran-tserasera Facebook. Mitanisa ny anaran’ireo tomponandraikitra ambony ao amin’ny orinasa Jirama io lisitra io, miaraka amin’ny sandan’ny tambin-karama manokana (primes exceptionnelles) sitrahan’izy ireo avy, ho an’ny taona 2021. Nimenomenona ny mpanjifan’ny Jiro sy Rano Malagasy manoloana izany, satria samy tapaka lava, na ny herinaratra, na ny ranon’ny Jirama. Etsy an-daniny, ny faktiora midangana, nefa ireo tomponandraikitra migalabona amin’ny fandraisana volabe ! Hita tao anatin’ilay lisitra tokoa mantsy fa eo anelanelan’ny 40 tapitrisa ariary ka hatramin’ny 180 tapitrisa ariary ny tambin-karama manokana raisin’ireo tomponandraikitra ireo. Tamin’ny fotoana nivoahan’ity antontan-taratasy ity dia nilaza ny tale jeneraly mpisolo toerana tamin’izany fotoana, Rivo Radanielina, fa hosoka ireo ary niniana navoaka mba hanakorontanana saim-bahoaka. Tsy nanakana ny fanadihadiana tsy hisokatra anefa izany fanambarana izany. Taorian’ny fanadihadiana nataon’ny Birao Mahaleotena Iadiana amin'ny Kolikoly (BIANCO) dia natolotra ny Tendrom-pitsarana miady amin’ny kolikoly (PAC) eny 67 Ha ny raharaha. Tomponandraikitry ny jirama miisa 34 no nohenoina teo anivon’ny Fampanoavan’ny PAC, ny 28 novambra 2022.

Harena azo tamin'ny tsy an-drariny

Ny 5 aprily 2023 no nivoaka ny filazana fikarohana mahakasika ny tale jeneralin’ny Jirama teo aloha, Vonjy Andriamanga, sy ny tale jeneraly mpisolo toerana teo aloha, Rivo Radanielina. Ny alatsinainy teo kosa no nanomboka ny Fitsarana ny raharaha teo anivon’ny PAC. Omaly talata ity tendrom-pitsarana miady amin’ny kolikoly ity no namoaka ny didy mikasika ity raharaha « primes exceptionnelles » ity, izay nahavorohirohy tomponandraikitry ny Jirama miisa 48 raha ny fitambarany. Naharitra roa andro ny Fitsarana, ka samy nahazo sazy an-tranomaizina miampy asa an-terivozona mandritra ny 10 taona i Vonjy Andriamanga sy Rivo Radanielina, ary koa i Angelsa Zasy, izay tale mpisolo toerana teo aloha ihany koa. Samy tsy nisy tonga niatrika ny fitsarana moa izy telo ireo. Ankoatra izay, sazy 5 taona an-tranomaizina no azon’ny talen’ny kabinetran’ny Jirama teo aloha, Onja Rasamimanana ; roa taona an-tranomaizina no azon’ny tale misahana ny maha-olona teo aloha sy ny talen’ny fitantanana sy ny ara-bola teo aloha. Didian’ny PAC, ankoatra izay, ny hanagiazan’ny Antokon-draharaha misahana ny fanagejana ireo Harena azo tamin'ny tsy an-drariny (ARAI) ny kaonty amin’ny bankin’reo voasazy tao anatin’ity raharaha ity.

Lire la suite

Articles Similaires