• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © X
Image
Vaovao

Baolina kitra : Tsy nahazo ny fankatoavan’ny CAF indray ny Kianja Barea Mahamasina

14/05/2024 08:58 © Moov

Tsy mbola azon’ny Kianja Barea Mahamasina indray ny fankatoavana avy amin’ny Kaonfederasiona Afrikanina ny Baolina kitra (CAF). Taorian’ireo fanamboarana sy fanavaozana izay vita araka ny fangatahan’ity farany dia nanambara ny heviny izy ireo omaly tamin’ny alalan’ny taratasy izay nalefa ho an’ny Sekretera Jeneralin’ny Federasiona Malagasy ny Baolina Kitra na ny FMF.

Miisa valo ireo antony

Rava hatreo ny fikasan’ny fitondram-panjakana sy ny FMF amin’ny fampiantranoana ireo lalao fifanintsanana ny fiadiana ny amboara erantany ny baolina kitra ho an’ny taona 2026 amin’ny volana jona ho avy izao. Mbola miisa valo indray ireo fenitra tsy voahaja sy tsy tomombana ka mbola tsy hahafahana mandray ireo lalao ireo. Na dia efa nanambara aza ny avy ao amin’ny FMF sy ny Fitondram-panjakana ny herinandro lasa teo tamin’ny alalan’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna Vaovao sy Toeram-ponenana (SENVH) fa efa vita ireo asa nangatahan’ny CAF dia voalaza fa mbola tsy tomombana ihany izany. Tao anatin’izany ny kalitaon’ny bozaka filalaovam-baolina mbola ratsy raha ny voalaza. Eo ihany koa ny fahakelezan’ny efitra fisoloana kanjo ho an’ireo mpilalao. Nojerena ihany koa ny tsy fahampian’ny fepetra hiarovana ny mpijery ao anatiny sy ivelan’ny kianja ary ny tsy mbola hahafahan’ny « tourniquet » miasa na dia efa napetraka eny amin’ny vavahady aza izany. Anisan’ny nangatahana fa mbola tsy voahaja ihany koa ny tsy fanaraham-penitry ny toerana natokana ho an’ny mpanao gazety sy ny mpiasan’ny haino aman-jery ary ny tsy fisian’ny tafo ho an’ny toerana natokana ho an’ny olon manan-kaja sy ny tsy fanaraham-penitry ny seza ho an’ireo manam-pahefana ambony.

Mila misafidy kianja hafa

Vokatr’izany dia mila mitady kianja hafa handraisana ireo lalao roa izay hifanandrinan’ny Barea amin’ny mpilalao avy ao Comores sy Mali. Ireo lalao roa ireo moa izay tafiditra ao anatin’ny lalao faharoa sy fahatelo ho amin’ny fifanintsanana ny fiadiana ny amboara erantany ny baolina kitra amin’ny taona 2026. Androany no andro farany voalaza fa tokony handefasana ireo tolo-kevitra avy amin’ny FMF mahakasika ireo kianja ho eritreretina handraisana ireo lalao ireo. Miandry ny fanapahan-kevitry ny CAF araka izany. Raha ny resaka mandeha, izay tsy mbola misy loharano mazava dia mety ho ny Nosy Maurice sy i Maroc no handray ireo lalao ireo.

Lire la suite

Articles Similaires