• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Humanité
Image
Vaovao

Fifidianana Solombavambahoaka : Iankinan’ny fahamarinan-toeran’ny fitondrana mijoro

08/05/2024 11:56 © Moov.Mg

Miantomboka androany 08 mey 2024 ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra ho amin’ny fifidianana Solombavambahoaka, izay hotanterahina ny 29 mey izao. Amin’ny ankapobeny dia tsy maresaka be, toy ny amin’ny fifidianana Filoham-pirenena izany, nefa tena fifidianana manan-danja, iankinan’ny fizotran’ny fepotom-piasan’ny Filohan’ny Repoblika.

Kandida 573

Miisa 573 ny kandida sy lisitra hofidiana amin’ity fifidianana Solombavambahoaka ity, izay mitsinjara amin’ny fari-piadidiam-pifidianana manerana ny distrika 120 eto Madagasikara. Avy amin’ny antoko sy fikambanana maro samihafa ireo kandida nirotsaka hofidiana, saingy amin’ny ankapobeny dia ireo avy amin’ny antoko TGV sy ireo mpiara-dia aminy, ary ireo avy amin’ny vovonana pôlitika mpanohitra, Kôlekitifan'ny Malagasy sy ny Firaisankina, no tena misongadina mandritra ity fifidianana Solombavambahoaka indray mitoraka ity. Manomboka androany izany, ka hatramin’ny 27 mey izao, no fotoana hahafahan’ireo kandida mandresy lahatra ny mpifidy, mba handray anjara amin’ny fandatsahamm-bato, fa ihany koa mba hametraka ny fitokisana amin’izay kandida hitany fa ho afaka ny hitondra ny feony eo anivon’ny Antenimierampirenena.

Maro an’isa

Manan-danja lehibe ny fifidianana Solombavambahoaka, indrindra eo amin’ny fahamarinan-toeran’ny fitondrana mijoro ankehitriny. Araka izany, misy fiantraikany amin’ny fahefana mpanatanteraka ny fahazoany, na tsia, ny maro an’isa eo anivon’ny Antenimierampirenena. Raha tsy azon’ny antoko miara-dia amin’ny filoha Andry Rajoelina izany, dia ho sarotra ho azy ny hametraka ireo rafitra sy paikady mifanaraka amin’ny pôlitikany. Mba hahatanteraka izany dia tokony ho azon’izy ireo ny maro an’isa tsy azo hozongozonina, izany hoe : ny 2/3-n’ny seza miisa 162, ina koa hoe : solombavambahoaka miisa 108. Ny Solombavambahoaka rahateo no manolotra ny anaran’izay ho Praiminisitra hitantana ny governemanta, araka ny andininy faha-54 ao anatin'ny Lalàmpanorenana. Sarotra ny fanatanterahana ny pôlitika ankapoben’ny Fanjakana, raha toa ka olona tsy hitovy firehana amin’ny filoham-pirenena no hatolotr’ireo ho Depiote ho Praiministra.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo