• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Croix-Rouge Malagasy
Image
Vaovao

Croix Rouge Malagasy : Manamafy fa hanampy ny mpiara-belona hatrany ireo mpikambana

08/05/2024 11:07 © Moov

Ankalazaina androany 8 may, toy ny isan-taona ny andro maneran-tany ho an’ny Croix Rouge. Anisan’ny mankalaza izany ihany koa ny mpikambana ao amin’ny Croix Rouge Malagasy. Eo amin’ny Parvis Analakely no anatanterahana ny hetsika izay mitondra ny lohahevitra hoe « koloy hiaina ny mahaolona ».

Mikolo aina

Hetsika maro mahakasika ny fikoloana ny aina, izay maha-izy azy ny isam-batan’olona, no azo sitrahana eny amin’ny Parvis Analakely eny. Eo amin’ny lafiny ara-pahasalamana ohatra dia misy ny fitiliana diabeta maimaim-poana iarahana amin’ny AMADIA Faravohitra. Ao anatin’izany ihany koa ny fanomezan-drà izay karakarain’ireo mpilatsaka an-tsitrapo. Hita eny an-toerana ihany koa ireo fitaovana rehetra fampiasan’ity sampana ity ary hisy ihany koa ny fanoroana ny olona ny atao hoe vonjy voina (premiers secours). « Asa efa mahazatra anay ny mikolo sy mamonjy olona ka izany indrindra no nisafidianana ireo hetsika isan-karazany. Ny tanjona iray ihany koa dia ny hanentanana ireo mpitsidika hanao izany asa soa izany eo amin’ny andavan’androm-piainany sy eny amin’ny fiaraha-monina misy azy eny », hoy i Antsa Mirado, tompon’andraikitry ny serasera ao amin’ny Croix Rouge Malagasy.

Mpilatsaka an-tsitrapo

Mpilatsaka an-tsitrapo no mandrafitra betsaka ity fikambanana iray ity. Tsy mitaraina sy vonona hatrany amin’ny vonjy voina mety miandry azy. Amin’izao fotoana izao, raha ny fanisana farany nataon’ny fikambanana dia mitontaly 10 333 eo ho eo ny mpikambana rehetra manerana ny nosy. « Tena liana ny olona miditra mpikambana. Ireo tanora no tena mandray anjara mavitrika amin’izany. Ireo mpilatsaka an-tsitrapo ihany koa no tena fantatry ny olona satria ireo no tena miasa haingana eny anivon’ny fiaraha-monina eny raha vantany vao misy tranga », hoy hatrany ity tompon’andraikitra ity.

Andraikitry ny Croix Rouge

Manana adidy ny ho tantsorok’ireo andrim-panjakana isan-karazany toy ny BNGRC sy ny pompier ary ihany koa ireo mpiasan’ny fahasalamana ny Croix Rouge. Asa manokana tsy mifanipaka amin’ny raharahan’izy ireo anefa izany tanterahin’izy ireo izany. Hanamaivana ny fanaintainan’ny mpiara-belona, hanamaivana ny fangirifiriana, hiomana amin’ny loza, hanomana ny fiaraha-monina amin’ny loza, izany rehetra izany no tena andrasana amin’ireo mpikambana ireo. Efa manana sampana manerana ny Nosy moa ny Croix-Rouge amin’izao fotoana izao.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo