• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Fodiamandry : Folaka ny Mpanjakan'ny Sakalavan'i Menabe, Kamamy Bertin Magloire

08/05/2024 09:54 © Moov.Mg

Folaka omaly talata 7 mey 2024 ny Mpanjakan'ny Sakalavan'i Menabe, Kamamy Bertin Magloire. Sady nanana andraikitra ara-drazana izy, no nitana anjara asa maro ihany koa teto amin’ny firenena.

Zafin’ny Ampanjaka Toera

Teraka ny 25 jolay 1941 tao Belo Tsiribihina ny Mpanjaka Kamamy Magloire. Izy no zanaka lahy tokan’ny printsesy Kamamy Colette, nanana anabavy 5 izy, ary izy ihany koa dia zafiafin’ny Ampanjaka Toera, izay eo an-dalam-pamerenana ankehitriny ny kabesony, araka ny fifanarahana misy eo amin’i Madagasikara sy i Lafrantsa. Tamin’ny taona 2018 no nananganana ho mpanjakan’i Menabe an’i Kamamy Magloire, tao Belo Tsiribihina, lanonana izay natrehin’ny solon-tenan’ny Ampanjaka avy amin’ny foko maro eto Madagasikara, ary koa ireo solon-tenam-panjakana tamin’izany fotoana izany. Izy, araka izany hatreto, no farany nandimby ireo ray aman-dreny taloha nitazona ny Fanjakana nentim-paharazana ao amin’ny Faritra Menabe, rehefa nodimandry ny Mpanjaka Kamamy Colette. Nandritra io fotoana io ihany koa no nanomezana azy ny mari-boninahitra « Commandeur de l’ordre national », noho ireo asa vitany teto amin’ny tany sy ny firenena ary ho fanandratana ny fihavanana Malagasy.

Andraikitra maro

Taorian’ny fianarana nataony tao Belo Tsiribihina, tao amin’ny Ecole Régionale tao Morondava, sy tany Toliara tokoa mantsy, dia maro ireo andraikitra efa notazoniny. Administratera sivily izy. Efa mpanolo-tsaina manokan’ny filoha teo aloha, Ratsiraka Didier ihany koa, tany amin’ny taona 90, araka ny fitantaran’ny zanany, Fleurys Kamamy Magloire. Ankoatra izay dia efa nanolo-tsaina ny filoham-panjakana tamin’izany fotoana, Norbert Lala Ratsirahonana izy. Amin’ny maha-zafiafin’ny Ampanjaka Toera azy, dia isan’ny noezahiny teo amin’ny fiainany ny famerenana ny kabeson’ity Ampanjaka Sakalava ity eto an-tanin-drazana, ary efa miroso ny fahatanterahan’izany ankehitriny. Nanambady ary niteraka 7 mianadahy, ny Mpanjakan'ny Sakalavan'i Menabe Kamamy Bertin Magloire.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo