• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Antenimierampirenena
Image
Vaovao

Antenimierampirenena : 110 isa ny volavolan-dalàna voadinika, tao anatin’ny fotom-piasana 5 taona

07/05/2024 15:35 © Moov.Mg

Nisokatra androany ny fotoam-pivoriana voalohan’ny Antenimierampirenena, ho an’ity taona 2024 ity. Isaky ny talata voalohany amin’ny volana mey no fanokafana io fotoam-pivoriana ara-potoana io, izay tafiditra ao anatin’ny fotoana hanatanterahana ny fifidianana Solombavambahoaka ihany koa, amin’ity taona ity.

Jery todika

Tapitra amin’ity taona ity ny fotoam-piasan’ireo Solombavambahoaka izay manatanteraka ny fotoam-pivoriana voalohany manomboka androany 7 mey 2024. Hiroso amin’ny fifidianana depiote i Madagasikara ny 29 mey 2024. Noho izany indrindra dia isan’ny nifantohan’ny laha-tenin’ny Filohan’ny Antenimierampirenena mpisolo toerana, Rabenirina Jean Jacques, ny jery todik’izay fotoam-piasana naharitra 5 taona izay. Isan’ny anjara andraikitry ny Solombavambahoaka ny fandaniana ny lalàna, ka 110 no isan’ny volavolan-dalàna voadinika tao anatin’izay 5 taona izay raha 51 kosa ireo tolo-dalàna. Momba ny fanaraha-maso ny Mpanatanteraka, izay tafiditra ao anatin’ny asan’ny Antenimierampirenena tanteraka, dia nisy ny fananganana vaomiera mpanadihady mikasika izany. Ankoatra izay dia asa notanterahin’ireo Solombavambahoaka ny fanombanana ny pôlitikam-panjakana.

Demôkrasia

Momba ny fiatrehana ny fifidianana Solombavambahoaka sy ny Ben’ny tanàna, izay hotanterahina amin’ity taona ity, dia nanambara ny filohan’ny Antenimierampirenena mpisolo toerana fa ny demôkrasia no antoka hanamafisana orina ny tany tàn-dalàna sy ny Fanjakana tsara tantana. Noho izany dia nitaky ny fanajana hentitra ny fangaraharana, ny fitovian’ny erijika ho an’ny mpifaninana rehetra, ny tsy fitanilan’ireo rafi-pitantanam-panjakana (neutralité de l’administration publique), indrindra ireo miandraikitra manokana ny fifidianana dia ny CENI (Vaomieram-pirenena Mahaleo Tena misahana ny Fifidianana) sy ny HCC (Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana) izy, mba handavorariana ny fifidianana. Tokony hiantohana ihany koa, hoy izy, ny fahafahan’ny tsirairay maneho hevitra malalaka, ka tsy hisian’ny fanakantsakanana na ny ramatahora amin’ny endriny isan-karazany. Nanatrika ity fotoam-panokafana ny fotoam-pivoriana ara-potoana voalohan’ny Antenimierampirenena ity ny Praiminisitra Ntsay Christian sy ny mpikamban’ny Governemanta sasantsasany, ny Jeneraly Ravalomanana Richard filohan’ny Antenimierandoholona, Richard Ramanambitana Filohan'ny delegasiona manokana (PDS) an’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, ny filohan’ny CENI Dama Arsène Andrianarisedo sy ireo masoivoho maro samihafa eto amintsika.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo