• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Fetra Rakotondrasoava
Image
Vaovao

Antananarivo : Ovaina anarana malagasy ireo lalana manana anarana vahiny

07/05/2024 15:30 © Moov

Andalam-panovana ireo anarana lalana eto amin’ny tanàn’Antananarivo ny Kaominina Antananarivo Renivohitra amin’izao fotoana izao. Efa 40 amin’ny lalana eto no mitondra anarana Malagasy. Niampy iray izany anio satria notokanana tamin’ity anio ity ny lalana manoloana ny tranom-bokim-pirenena sy ny haino aman-jerim-panjakana Anosy izay nampitondraina ny anaran’I Gisèle Rabesahala. Nitondra ny anarana Rue Pierre Stibbe no nahalalana izany lalana izany teo aloha.

5 % ny lalana sisa no manana anarana vahiny

Hohamafisina ny ezaka hanomezana anarana malagasy ny lalana manerana ny tanànan’Antananarivo. Tao anatin’ny 5 taona izay dia efa 50 ireo lalana nahazo anarana. Ny 5% amin’izy ireo sisa no mitondra anarana vahiny ary ho soloina avokoa izany. Izany hoe eo ho eo amin’ny lalana miisa 40 eo amin’izao fotoana izao no efa mitondra anarana Malagasy. Asa ataon’ny fitondram-panjakana entina hanomezana lanja ny kolontsaina sy ny maha izy azy ny firenena iray ny toy izao izay tafiditra anatin’ny asa ataon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina. Entina ihany koa hanomezan-danja ireo Malagasy niavaka sy nitondra zava-tsoa ho an’ny firenena na teto antoerana izany na tany ivelany.

Fangatahan’ny fianakavian'ireo olo-malaza

Miainga amin’ny fangatahan’ny fianakaviana no hahafahana manome anarana ny lalana misy eto an-drenivohitra. Raha ho an’ity lalana Gisèle Rabesahala ity dia efa taona maro no nangatahan’ny fianakaviana ny hanomezana izany anarana izany. Androany 7 mey 2024, andro fitsingerenan’ny taonan’i Gisèle Rabesahala no nanomezana ity anarana ity. « Rehefa malagasy nametraka tantara dia tsy mametraka olana izahay ny amin’ny fanomezana ny anarany amin’ireny lalana izany », hoy ny nambaran’ny talen’ny antokon-draharaha misahana ny kanto, ny kolontsaina ary ny fiainam-piaraha-monina ao amin’ny CUA, Ramamelisoa Ralitera Sariaka.

Gisèle Rabesahala

Tsara ny mampatsiahy fa i Gisèle Rabesahala no vehivavy voalohany minisitry ny kolontsaina sady vehivavy minisitra voalohany ary tamin'ny fotoan'androny no nanokafana ny tranombokim-pirenen'i Madagasikara ny taona 1981. Ankoatra izay, taorian’ny nahafatesany dia nomarihin’ny UNESCO ho iray tamin’ireo vehivavy nanamarika ny Afrika izy. Anisan’ny tovovavy tanora indrindra tamin’ny sehatry ny politika ihany ko aizy. Nitolona ho an’ny fahaleovan-tenan’I Madagasikara izy vantany vao 17 taona. Vehivavy mahery ary mpiady izy ka izay ihany koa no naneken’ny CUA ny fianakaviana ny hanomezana izany anarana izany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo