• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Madablog.Com
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanamboarana mofo menakely

06/05/2024 14:05 © Moov.Mg

Isan’ireo mofo mampiavaka ny nahandro malagasy ny mofo menakely. Azo atao sakafo maraina ampiarahana amin’ny kafe na dite izy io fa azo atao « goûter » ihany koa. Araho ary ny fomba tsotra fanaovana azy ireny. Azo amidy atao fitadiavam-bola ihany koa moa ny menakely satria tsy be masonkarena ny fanamboarana azy.

Ireo zavatra ilaina raha hanao mofo menakely

-Lafarina 250g ;
-Kobam-bary 50g ;
-Siramamy 50g ;
-« Levure boulangère » 1 sotrokely ;
-Rano matimaty 200ml ;
-Menaka hanendasana azy.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy

Maka lovia jobo lehibe iray ary arotsaka ao avokoa ireo akora maina rehetra, izany hoe ny lafarina, ny kobam-bary sy ny « levure boulangère ». Araraka manarak’izay ny siramamy araka ny hamamiana hitiavana azy fa tsy voatery 50g. Azo ampiana na anesorana io fatra io. Tsara kokoa raha siramamy mena na mavokely no ampiasaina fa tsy siramamy fotsy. Afangaro tsara daholo ireo akora rehetra.
Manarak’izay dia araraka tsikelikely ao anatin’ilay fangaro ny rano matimaty sady aroharoana. Tokony mahazo paty malama sy tsy misy mitambaingana. Tsy tokony ho maina be ny paty nefa tsy tokony ho matsora be ihany koa. Arakaraky ny endriky ny paty no hanampiana rano matimaty na tsia azy. Rehefa vita ny paty dia avela hipetraka kely mandritra ny 15 minitra mba hiasa ny « levure ».
Afanaina anaty lapoaly jobo na anaty vilany saba ny menaka. Atao betsaka tsara ny menaka hanendasana. Tokony mahafeno ny antsasaky ny lapoaly farafahakeliny. Rehefa mamay tsara ny menaka dia arotsaka ny paty ary atao mahazo endrika boribory ahafantarana ny menakely. Mibontsina miandalana ilay paty rehefa tratr’ilay menaka mamay sy mihamasaka.
Esorina ny menaka rehefa hita fa masaka sy miova loko mendimendy. Mila arahana maso tsara ny fanendasana ny menakely satria mora may. Loharana amin’ny sotrobe makarakara mba tsy hanaraka ny menaka. Apetraka eo ambony lovia misy « papier absorbant » mba tsy hiala ny menaka ambiny.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo