• Cours de change
  • 4715.96 AR
  • |
  • $4425.78 AR
Copyright Image : © Bngrc
Image
Vaovao

Famonjena ireo traboina : Nitondra ny anjara birikiny ny firenena Israelianina

17/04/2024 17:50 © Moov.Mg

Taorian’ny firenena Sinoa dia namaly ny antso nataon’ny Fitondram-panjakana malagasy, mangataka tolo-tanana mba ho fanampiana ireo traboina vokatry ny fandalovan’ilay rivo-doza Gamane ihany koa ny firenena Israelianina.

Tokantrano 400 isa

Androany no tonga nanolotra izany fanampiana izany ireo mpikambana eo anivon’ny Antenimieran’ny varotra Israely-Madagasikara, izay nisolo tena ny masoivohon’i Israely tamin’ny fitondrana izany anjara biriky ho an’ny mpiara-belona izany. Vary milanja 4,8 taonina, voamaina 1,2 taonina ary menaka amin’ny tavoahangy 1 litatra miisa 400 no natolotr’izy ireo ny Birao nasionaly misahana ny loza sy ny tandindon-doza (BNGRC), mba hotsinjaraina amin’ireo olona traboina. Tokantrano sahirana miisa 400 ahitana olona miisa 2 000 no hisitraka izany tohana izany. Fiatombohany ihany izao fanampiana izao, raha ny nambaran-drtoa Mamiarivelo Sylvia Filohan’ny Antenimieran’ny Varotra Israeliana eto Madagasikara, fa tsy hijanona hatreo akory.

Mbola mila tohana

Ezahina ny hiverenan’ny fiainan’ireo mponina amin’ny laoniny faran’izay haingana ary ezahina tahaka izany ihany koa ny hahatongavan’ireo fanampiana voaray, faran’izay haingana, any amin’ireo toerana ahitana traboina, hoy ny jeneraly Andriakaja Elack Olivier, tale jeneralin’ny BNGRC. Efa tonga tany Ambilobe tamin’ny alatsinainy teo, ohatra, ny ampahany voalohany amin’ny sakafo ho an’ireo olona marefo ao amin’ny kaominina 6 any amin’ity Distrika ity. Efa nahazo ny anjarany ihany koa i Mananara Avaratra sy i Maroantsetra, raha hiainga rahampitso ny sambo hitondra ny fanampiana ho an’ireo traboina any amin’ny faritra SAVA. Ny olana nateraky ny fahatapahan-dalana moa no nahatonga fahasarotana tamin’ny fitsinjarana ny fanampiana ho an’ireo olona traboina. Amin’izao fotoana izao, araka ny nambaran’ny avy eo anivon’ny BNGRC, dia mitentina 339 miliara ariary ny vola ilaina ho fanarenana ireo toerana simba vokatry ny fandalovan’ilay rivo-doza Gamane teto amintsika.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo