• Cours de change
  • 4721.37 AR
  • |
  • $4422.7 AR
Copyright Image : © Marino Rajaonina
Image
Vaovao

Rivo-doza Gamane : Nahafaty olona 18 isa

29/03/2024 13:02 © Moov.Mg

Faritra miisa 4 eto Madagasikara no voakasiky ny fandalovan’ilay rivo-doza Gamane. Namela fahapotehana, faty olona sy tra-boina marobe ity andro ratsy ity.

Faritra efatra

Analanjirofo, Diana, Atsinanana ary SAVA no tena mitondra takaitra ankehitriny, noho ny fandalovan’ilay andro ratsy Gamane. Raha ny antontan’isa ofisialy voaray avy eo anivon’ny Birao Nasionaly misahana ny Fitantanana ny Loza sy ny Tandindondoza, androany 29 martsa tamin’ny 12 ora sy 30 mn antoandro, dia nahatratra 18 ny isan’ny olona namoy ny ainy, noho ity andro ratsy ity, ka 7 tany Maroantsetra, 3 tany Vohemar, 2 tany Sambava ary iray avy tao Mananara Avaratra, Toamasina II, Vavatenina, Ambilobe, Antsiranana II sy Antalaha. Olona 3 kosa no naratra, ka tao Antalaha ny iray ary tany Vohemar ny 1. Nisy tamin’ireo mponina no tsy hita popoka, izay lasan’ny rano ny ankamaroany, ka efa hita ny 4 tamin’ireo, izay mponina any Toamasina II, Antsiranana II, Antalaha ary Sambava.

Mbola hikorontana ny toetr’andro

Nahatratra 46 662 isa ny olona traboina noho ny fandalovan’i Gamane, avy amina tokantrano 11 655 isa. Vokatr’izay dia nafindra toerana ny olona miisa 20 6737, miparitaka any amin’ireo toerana fandraisana traboina vonjimaika miisa 76. Trano maherin’ny 600 isa moa no rava tanteraka, noho ity andro ratsy ity. Nisy ihany koa ireo sekoly simba sy niendaka tafo. Ankoatra izay dia nahitana fahasimbana ihany koa ireo tanimboly sy tanimbary sasany. Mahatratra 1 698 ha ireo tanimbary fantatra fa dobo-drano hatreto ary 60 ha no tototry ny fasika. Mbola hitohy hatramin’ny rahampitso sabotsy ny fikorontanan’ny toetry ny andro, indrindra ny any an-dranomasina eo anelanelan’i Antalaha sy Toamasina, araka ny nambaran’ny avy eo anivon’ny Foibe famantarana ny toetry ny andro, vokatry ny sisan-drahona miaraka amin’i Gamane. Tombanana mbola ho mafy ihany koa ny rivotra any amin’ny morontsiraka afovoany atsinanan’ny Nosy anio hariva sy ny alina.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo