• Cours de change
  • 4721.37 AR
  • |
  • $4422.7 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

29 marsa 1947 - 29 marsa 2024 : 77 taona ny tolom-panafahana

29/03/2024 05:07 © Moov

Marihana androany 29 marsa 2024 ny fahatsiarovana ny faha-77 taonan’ny Tolom-panafahana.

Efa roa herinandro izay no nisokafan’ny fanamarihana ny 29 marsa tamin’ity taona 2024 ity. Nisy ny fampirantiana tahirin-tsary teo amin’ny zaridainan’Anosy. Efa tontosa ihany koa ny fanompoam-pivavahana iraisam-pinoana. Tsiahivina fa ny lohahevitra dia « fitiavan-tanindrazana no fototry ny fampandrosoana ».
Androany 29 marsa dia eny amin’ny Fasan’ny Maherifo Avaratr’Ambohitsaina no hanatanterahana ny fanamarihana ofisialy ho an’ny eto Antananarivo. Ny filoham-pirenena sy ny minisitry ny fiarovam-pirenena no hitarika amin’izany. Hisy ihany koa nefa ny fametrahana fehezam-boninkazo eo amin’ny Tsangambato 1947 eo Ambohijatovo.

Aorian’ny fanamarihana eny amin’ny Mausolée dia hihazo an’i Moramanga indray ireo olom-panjakana sivily sy miaramila. Io toerana io mantsy no nipoahan’ny ady tamin’ny alin’ny 29 marsa 1947 ka namoizana ain’olona maro, na Malagasy na vahiny. Hanakoako indray ny hira « Mitsangana ry Tanora, mitsangana fa aza manana ahiahy, izao no andro sady ora, mijoroa sahia tokoa ho lehilahy ».

Fahanginana ara-politika

Tsy misy ny fahanginana ara-politika amin’izao herinandro iandrasana ny paska izao. Mbola mafana mantsy ny raharaha mikasika ny filohan’ny Antenimierampirenena Christine Razanamahasoa. Tsy adino ihany koa ny fanomanana ny fifidianana, sady efa misokatra rahateo ny fametrahana taratasy filatsahana hofidiana ho Depiote.
Na dia fahatsiarovana mangirifiry aza no marihana androany, tsy vitsy ireo miandry ny fanehoan-kevitry ny filoham-pirenena. Tamin'ny herintaona mantsy dia nisy ny kabary nataon'ny filoha tany Moramanga, nialoha ny sakafo mitam-pihavanana.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo