• Cours de change
  • 4721.37 AR
  • |
  • $4422.7 AR
Copyright Image : © Cua
Image
Vaovao

Analakely : Nisy may ireo tsena fivarotana manoloana ny FJKM

29/03/2024 04:49 © Moov

Nijoalajoala ny afo ny alin'ny 28 marsa 2024. Nirehitra mantsy ireo "box" fivarotana friperie sy kitapo manoloana ny FJKM Katedraly Analakely.

Nitrangana fahamaizana omaly alina teo amin'ireo tsena ampitan'ny FJKM Katedraly Analakely, tamin'ny 10 ora sy sasany teo ho eo. Araka ny tatitra vonjimaika dia "box" iray tsy ahitana laharana no nirehitra ka nihitatra tamin'ireo tsena ahitana talantalana hazo manodidina saingy voafehy ny afo. Tsy nisy ny naratra na ny aina nafoy. Nisy kosa ireo entana simba, dia ny latabatra fivarotana sy ny vitrines. Azo antoka fa misy amin'ireo mpivarotra no mamela gony misy entana tamin'ireo tsena ireo.

Tonga ara-potoana teny an-toerana ny sampana Mpamonjy voina ka vetivety dia voafehy ny afo, araka ny tatitra avy amin'ny Lehiben'ny Sampana Mpamonjy voina, ny Commandant Éric Olivier RALAIVAONORO.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo