• Cours de change
  • 4721.37 AR
  • |
  • $4422.7 AR
Copyright Image : © Godefroy Don Andriniaina
Image
Vaovao

Rivo-doza Gamane : Maherin’ny efatra alina no tra-boina any Ambilobe

28/03/2024 14:11 © Moov.Mg

Tombanana ho levona an-tanety androany hariva, na androany alina, ilay rivo-doza Gamane, araka ny nambaran’ny avy eo anivon’ny Foibe Famantarana ny toetry ny andro eto Madagasikara. Na izany aza, namela takaitra mavesatra tany amin’ny Distrika maro izy, ka miantso vonjy ireo mponina tra-boina.

Ho levona an-tanety

Mihasarotra ny manara-maso ny toerana misy ilay andro ratsy Gamane, araka ny fanazavan’ny Foibe Famantarana ny toetry ny andro. Tsy misy foibe mazava sy hita misongadina intsony mantsy, amin’ny fandalovany amin’iny tapany avaratr’i Madagasikara iny. Araka ny refy voaray dia nahitana fiakarana avokoa ny tsindrin’ny habaka amin’ny ilany avaratry ny Nosy. Heverina, araka izany, fa andalam-pahalevonana an-tanety ity andro ratsy ity. Na izany aza anefa dia mety mbola hisy rotsak’orana manantombo indraindray any amin’ny tapany avaratra sy afovoany atsinanana, saingy vinavinaina hihena miandalana izany. Misy ny fampitandremana mikasika ny fahabetsahan’ny rotsak’orana ho an’ireo toerana voalaza ireo. Foana kosa ny filazana loza mikasika ny rivo-doza, saingy mbola tsy tokony hiandriaka ny mpampiasa ranomasina eo anelanelan’Analalava sy Antsiranana, sy eo anelanelan’Antsiranana sy Mahanoro, noho ny mbola haratsian’ny toetr’andro.

Fahasimbana goavana

Voka-dratsy maro no efa naterak’i Gamane, tao anatin’izay roa andro nirotsahan’ny orana izay, tany amin’iny tapany avaratr’i Madagasikara iny. Tany amin’ny Distrikan’i Maroantsetra dia tafakatra 5 ny olona namoy ny ainy. Maty vokatry ny fihotsahan’ny tany ny 4 amin’izy ireo, ny iray kosa nentin’ny rano, araka ny fampitam-baaovao avy any an-toerana. Dobo rano ny antsasa-manilan’ireo kaominina miisa 20 mandrafitra ny Distrika. Tanimboly lavanila sy kafe maro ihany koa no nihotsahan’ny tany ary tanimbary an’hektara maro no tototry ny fasika sy rano. Any Vohemar, tovolahy iray no tsy hita popoka lasan’ny rano, ankizy iray ihany koa no namoy ny ainy. Ny lalam-pirenena 5A mampitohy an’Ambilobe sy Vohemar no tena nahitana fahasimbana lehibe indrindra, fa simba ihany koa ny tanim-boly sy tanimbary maro. Tany Ambilobe dia nahafatesan’olona sy nahatonga tra-boina 4.2612 isa ny rivo-doza Gamane, trano maherin’ny 2.000 tafo no rava tanteraka, araka ny tatitra vonjimaika avy any an-toerana.

Nandritra ny Filàn-kevitry ny Minisitra notontosaina omaly moa dia napetraka ny fandaminana ny amin’ny fandefasana ny fanampiana vonjy aina rehetra, amin’ny alalan’ny fitaterana an’habakabaka, ao anatin’ny 24 ora ho avy, arakaraky ny fahafahan’ny fiaramanidina misidina noho ny toetr’andro.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo