• Cours de change
  • 4721.37 AR
  • |
  • $4422.7 AR
Copyright Image : © Ceni
Image
Vaovao

Fifidianana Solombavambahoaka : Nisokatra androany ny fandraisana ny antontan-taratasin’ireo ho kandida

27/03/2024 14:48 © Moov.Mg

Nisokatra androany ny fandraisan’ny rafitra mpanamarina sy mpiandraikitra ny firotsahan-ko fidiana (OVEC) ny antontan-taratasy filatsahan-ko fidiana avy amin’ireo maniry ny ho kandida Solombavambahoaka manerana an’i Madagasikara.

Miantoka ny tsy hisian’ny hosoka

Haharitra 12 andro ny fisokafan’ny OVEC, handraisany ny antontan-taratasy fenon’ireo maniry ny hitondra ny feon’ny vahoaka eny anivon’ny Antenimierampirenena, ka hiatrika ny fifidianana Solombavambahoaka amin’ny 29 mey ho avy izao. Mialoha ny androany dia efa niatrika fiofanana ireo mpikambana eo anivon’ny OVEC, any amin’ireo Distrika rehetra manerana ny Nosy. Isan’ny niompanan’ny fiofanana nomena azy ireo ny momba ny fanajana ny didy aman-dalàna, ny fahamarinana sy ny tsy fitanilana, eo am-panatanterahana ny asa. Teo koa ny fandinihana ny fomba fiasa, mba hampirindra ny fandraisana ireo antontan-taratasy filatsahan-kofidiana. Raha tsiahivina, ny anjara asan’ny OVEC dia mandray ny antontan-taratasin’ireo maniry ny ho kandida Solombavambahoaka, manamarina sy miantoka ny tsy fisian’ny hosoka sy tsy fanarahan-dalàna, manapa-kevitra ny amin’ny fanekena na tsia ny filatsahan-kofidiana, araka ireo fepetra faritan’ny lalàna, mizara vaovao sy mifandray amin’ireo mpilatsaka hofidiana ary manao tatitra eny anivon’ny foiben’ny Vaomieram-pirenena Mahaleo Tena misahana ny Fifidianana (CENI).

Solombavambahoaka 163

Voafaritra ho 163 ny isan'ireo Solombavambahoaka manerana an'i Madagasikara hofidiana amin’io 29 mey ho avy io. Niampy 12 izany, raha mitaha amin’ny fifidianana tamin’ny taona 2019, noho ny fitomboan’ny mponina. Nisy ihany koa ny Distrika vaovao, dia Antanimora Atsimo, any amin’ny Faritra Androy. Haharitra hatramin’ny 8 aprily amin’ny 5 ora hariva moa ny fe-potoana fandraisana ny antontan-taratasy filatsahan-ko fidiana Solombavambahoaka. Ny 17 aprily kosa no hotanterahina ny fisarihana ny laharan’ireo kandida hipetraka ao anatin’ny biletà tokana. Ao anatin’izany dia mbola mitohy hatrany ny fahafahan’ny olom-pirenena manamarina ny anarany ao anaty lisi-pifidianana, na eny anivon’ny fokontany, na ao anatin’ny tranonkalan’ny CENI.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo