• Cours de change
  • 4721.37 AR
  • |
  • $4422.7 AR
Copyright Image : © Tropy Jeannette
Image
Vaovao

Teatra : Zava-kanto mbola tsy tontan’ny ela

27/03/2024 09:23 © Moov.Mg

Endrika zava-kanto iray isan’ny tranainy indrindra teto Madagasikara ny tantara tsangana, na ny teatra. Somary lefy ny fankafizan’ny Malagasy ny teatra ankehitriny, raha fialam-boly isan’ny tena nalaza iznay fahiny. Na iznay aza, tsy mitsahatra ny mamelo-maso ity zava-kanto ity ireo fikambanan’ny mpanao teatra eto amintsika.

Teatra Monisipaly Ambatovinaky

Efa tany amin’ny taona 1899 tany no nisian’ny fampisehoana teatra voalohany teto Madagasikara. Ny 14 septambra 1899 no notokanana ny Teatra Monisipaly Ambatovinaky sy nanatanterahana fampisehoana tantara tsangana tao, toy ny ahafantarana azy amin’ny ankapobeny ankehitriny. Tamin’izany, vao nitsahatra ny hetsika nataon’ny Menalamba. Namorona fialambony ireo miaramila frantsay avy nifanandrina tamin’izy ireo, ka nilalao karazana teatra fohifohy tao amin’ny Lapan’Andafiavaratra. “Théâtre de folie militaire” no anarana nampitondrainy izany. Ireo miaramila ihany no mpisehatra, ka sady manao lehilahy no manao vehivavy. Nanapa-kevitra ireo mpitondra frantsay, taorian’izay, fa hanangana toerana fanaovana teatra teo Ambatovinaky. “Théâtre Municipal de Tananarive” no anarana nomen’ny vazaha azy, saingy ny nahakinga ny vavan’ny olona kokoa ny hoe : “Teatra Monisipaly Ambatovinaky”. Isan’ny mampiavaka ny teatra malagasy ny hira teatraly. Izany no iantsoana ireo hira nentina nandravahana sy nanomezana aina bebe kokoa ny tantara tsangana.

Fampisehoana sy dinidinika

Marihina androany 27 martsa ny andro maneran-tany ho an'ny teatra. Hetsika maro karazana no entin’ireo mpisehatra amin’ity zava-kanto ity manamarika ny andro androany. Isan’izany ny fotoana hifampiresahana sy handinihana momba ny teatra, ny lasany, ny ankehitrininy ary ny ho aviny, hotanterahina ao amin’ny IFM Analakely, ao anatin’ilay hetsika fanaon’ity ivon-toerana ity isam-bolana nomena ny anarana hoe : « Dite Philo », manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, hiarahana amin’ny Compagnie Miangaly Théâtre. Misy ihany koa ny fampisehoana tantara fohy 3, hatao ao amin’ny AFT Andavamamba, dia ny « Lova sa Valisoa ? », « Melohiko ny herisetra » ary « Faraingoka ». Ny Sakaizan’ny teatra malagasy (STM) avy ao amin’ny lisea Rabearivelo sy ny Fanilon’ny teatra Malagasy (FTM) avy ao amin’ny lisea Ampefiloha no manolotra ity fampisehoana ity. Tanjon’ity fanamarihana isan-taona ny andron’ny teatra ity ny fanasongadinana ny literatiora sy ny famelomana ny fankafizana ny kanto ao am-pon’ny besinimaro.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo