Fahasalaman’ny nify sy ny ativava : Mpitsabo nify iray misahana olona 32.000, eto Madagasikara
Mbola lavitry ny fenitra napetraky ny Sampandraharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny Fahasalamana (OMS) ny isan’ny mpitsabo nify eto Madagasikara. Olona 32.000 no sahanin’ny mpitsabo nify iray, raha 10.000 kosa no tokony ho izy. Ny fampitomboana ny isan’ny mpitsabo sy ny fanatsarana ny fidirana amin’ny fitsaboana no anisan’ny vahaolana.
Vitsy ny mpitsabo nify
Araka ny fanazavan’ny Dr Rabemananjara Daniel, filohan’ny Holafitry ny Mpitsabo Nify sy Ativava eto Madagasikara, dia mbola tsy mahafeno ny filàn’ny mponina ny isan’ny mpitsabo nify eto amin’ny firenena. Mitombo be mantsy ny isan’ny mponina eto amintsika, raha 35 isan-taona ihany kosa ny mpitsabo nify avoakan’ny toeram-piofanana. Raha ny fenitry ny OMS, dia tokony hisy mpitsabo nify iray isaky ny olona 10.000. Eto Madagasikara anefa, olona 32.000 no sahanin’ny mpitsabo iray. Efa misy ny fitadiavam-bahaolana hampitomboana ny isan’ny mpitsabo misahana ny fahasalaman’ny nify sy ny ativava.
Tsy an-daniny, tsy mitovy ny fahafahan’ny mponina misitraka ny fitsaboana. Raha mazoto mitsabo nify sy ativava ny mponina an-tanàn-dehibe, dia mbola miatrika olana ny any ambanivohitra. Anisan’ny sakana ny tsy fisian’ny herinaratra, izay ilain’ny ankamaroan’ny fitaovana ampiasaina amin’ny fitsaboana nify.
Mila tohana ny ivon-toeram-piofanana
Ankoatra izay dia mbola tsy ampy ny antontan’isa momba ny fahasalaman’ny nify sy ny ativava eto Madagasikara. Efa manao fanadihadiana izay andraisan’ireo mpitsabo nify anjara ny Holafitry ny Mpitsabo Nify sy Ativava, araka ny nambaran’ny Dr Rabemananjara Daniel. Ilaina izany, mba hamantarana ny filàna sy hanatsarana ny kalitaon’ny fitsaboana, hoy izy.
Hotanterahina ny 30 sy 31 oktobra 2026, eny amin’ny CCI Ivato moa, ny andiany voalohany amin’ny ny kongresin’ireo mpisehatra amin’ny fahasalaman’ny nify sy ny ativava eto anivon’ny ranomasimbe indianina (Congrès dentaire de l’Océan Indien (CDOI) ). Anisan’ny tanjona ny hitadiavana mpiara-miombona antoka hanohana ny toeram-piofanana tokana momba ny fahasalaman’ny nify sy ny ativava eto amin’ny Ranomasimbe Indianina, izay any Mahajanga. Marihina fa maharitra enin-taona fara-fahakeliny, aorian’ny bakalorea, ny fianarana ho mpitsabo nify.





