• Cours de change
  • €4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Grandes Latitudes
Image
Vaovao

Salon VOLA 2026 : hampihaona ireo mpampiasa vola, mpihindram-bola sy ireo te hampitombo ny volany

14/10/2026 15:00 © Moov.Mg

Hotanterahina mandritra ny telo andro, ny 30 sy 31 oktobra ary ny 1 novambra 2026, eo anoloan’ny garan’Antsirabe, ny Salon VOLA 2026. Hetsika natao hampifandraisana ireo mpamatsy vola, ny mpandraharaha ary ny olon-tsotra maniry hanatsara ny fitantanana sy hampitombo ny vola eo am-pelatanany izy ity.

Torohevitra ara-bola ho an’ny rehetra

Tsy voatery hanana renivola be vao afaka mampitombo ny vola miditra. Io no isan’ny hafatra entin’ny Salon VOLA 2026, izay hanomezan-danja ny fanabeazana ara-bola sy ny hampahafantarana ireo paikady azo ampiharina, na ho an’ireo manana renivola kely na ireo mbola tsy manana izany. Araka izany, mandritra ity hetsika ity dia hahazo torohevitra momba ny fitantanana ny vola sy ny fampitomboana ny fidiram-bola ireo mpitsidika.

Hanasana ireo mpamatsy vola sy mpiara-miombona antoka ny hetsika, mba hahafahan’ireo manana tetikasa mitady famatsiam-bola maneho ny heviny sy mitady izay mety ho mpiara-miasa aminy. Handray anjara amin’izany ireo banky, ny orinasa mpampindram-bola madinika (microfinance), ny mpandraharaha ara-bola, ny mpamokatra, ny mpanafatra entana ary ireo mpamongady.

Fampiofanana amin’ny fitantanana vola

Hisy sehatra lehibe (podium) hahafahan’ireo mpandray anjara manazava ny tolotra sy ny asa ataony, mandritra ireo telo andro ireo. Anisan’ny tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ihany koa ny fampiofanana (coaching) ara-bola, indrindra ho an’ireo mpandraharaha madinika sy mpamokatra, mba hahafahan’izy ireo mitantana ny asany sy mampitombo ny vola miditra. Hisy ihany koa ny torohevitra momba ny fitantanana ny karama isam-bolana, ho an’ireo mpiasa maniry hampiasa amim-pahendrena ny vola azony, na maniry ny hanodina izany ho fanampin’ny fidiram-bolany.

Ny fanabeazana ara-bola ho an’ny ankizy ihany koa dia isan’ny lohahevitra hasongadina, amin’ny alalan’ny fandraisan’anjaran’ireo sekoly.

Ho an’ireo fikambanana misehatra amin’ny asa sosialy kosa, fotoana iray ny Salon VOLA hifandraisana amin’ireo mpanam-bola mety hanohana ny asa soa ataony. Afaka manatona ireny fikambanana ireny ireo olona izay maniry ny hanohana ireo mpikarakara zaza kamboty, ireo mpiahy ny ankizy manana manana toe-tena varira, sns.

Fampitana fahalalana

Ranaivoson Toetra, fantatra amin’ny anarana hoe Andriant Raph, mpanao gazety ao amin’ny onjampeo Akon’i Miarinarivo Itasy na Radio AMI, no mikarakara ny hetsika. Anisan’ny nanosika azy handray izao andraikitra izao, araka ny nambarany, ny faniriany hanampy ireo olona sahirana sy ny fahatsapany fa ilaina ny mampita fahalalana hahafahana mivoatra.

Antsirabe, renivohitry ny faritra Vakinankaratra, no voafidy handraisana ny hetsika noho ity tanàna ity azo lazaina ho manana tanjaka ara-toekarena, noho ny fisian’ireo indostria maro mihodina ao aminy.

Lire la suite

Articles Similaires