• Cours de change
  • 4721.37 AR
  • |
  • $4422.7 AR
Copyright Image : © Mcc
Image
Vaovao

Literatiora : Nivoaka « Ikalomanga », boky nosoratan’i Clarisse Ratsifandrihamanana

26/03/2024 16:11 © Moov.Mg

Mametraka lova tsy mety maty ho an’ny taranaka fara aman-dimby ny mpanoratra, amin’ny alalan’ny asa-sorany. Tamin’ny taona 1987 no nodimandry i Clarisse Ratsifandrihamanana, saingy mbola ankamamian’ny pankafy literatiora ireo sangan’asany.

Niady tamin’ny tsy rariny

Androany, noho izany, dia navoaka tamin’ny fomba ofisialy ny boky nosoratan’i Clarisse Ratsifandrihamanana mitondra ny lohateny hoe : « Ikalomanga ». Efa tamin’ny taona 1967 no nanoratany ity boky ity ary nitondrany fanitsiana tamin’ny taona 1978. Noteren'ny tsy fananana sy ny fahakambotiana Ikalomanga, ka niala ny tanàna nisy azy. Tonga tany an-drenivohitra izy ary niezaka ny nitady vola, saingy tsy araka izay noeritreretina ny zava-nitranga fa zary lasa zaza mpirenireny sy tsy manan-kialofana izy. Lohahevitra isan’ny nanainga ny fanahin’ny mpanohitra io fanasongadinana ny adim-piainan’ireo sahirana io. Tahaka izany koa ny fanoherana ny fanjanahana, ny ady amin’ny fanavakavaham-bolon-koditra sy ny fitakiana ny fitovian-jo. Niisa 29 ireo boky nosoratany ary maro no nahazo loka sy ireo tafiditra ao anatin’ny fandaharam-pianarana.

Mpanoratra sady poeta

Raha tsiahivina dia ny 5 Desambra 1926 i Clarisse Ratsifandrihamanana no teraka tao Fenoarivo-Atsinanana ary nodimandry teo amin’ny faha-61 taonany, ny 28 Jona 1987. Sady mpanoratra izy no poeta, talenta izay nolovainy tamin'ny fianakaviany, izay namokatra mpikabary malaza, mpamoron-kira, mpanoratra… Isan’ny nampianatra azy ilay mpanoratra malaza, Jean Narivony. Tany amin'ny taona 1960 izy no nanomboka nanoratra. Mpikambana tao amin'ny UPEM sy tao amin'ny Akademia Malagasy izy. Ny tononkalo no tena nanavanana ity mpanoratra iray ity, na izany aza, dia nanoratra tantara foronina sy angano ihany koa izy. Ny boky « Ikalomanga » izay navoaka androany dia misy takelaka 280. Aorian’izao dia hiezaka ireo taranaky ny mpanoratra ny hamoaka ireo asa-sorany hafa, toy ny boky « Ny Zanako », izay be mpitady. Nambaran’ireo taranany ihany koa fa maniry izy ireo ny hanokanana efitra amin’ny anaran’i Clarisse Andriamampandry Ratsifandrihamanana, ao amin’ny Tranombokimpirenena Anosy.
Miisa 2000 mahery ny boky « Ikalomanga » natonta, ka horaisin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina an-tanana ny fividianana ny 100 isa amin’izany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo