• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mcc
Image
Vaovao

Tenin-dreny : Hanonta ny sangan’asan’ireo mpanoratra misongadina ny ministeran’ny Kolontsaina

21/02/2024 15:09 © Moov.Mg

Teny amin’ny Efitrano Dox, ao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, no nanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny tenin-dreny, androany 21 febroary 2024. Nisongadina nandritra izany ny ezaka hanasongadinana ireo mpanoratra malagasy.

Fampiroboroboana ny teny malagasy

Hetsika maro sosona no nanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny tenin-dreny tamin’ity taona ity. Isan’izany ny atrikasa natokana ho an’ny mpanoratra, mpikabary sy mpikirakira teny malagasy, mba hanampiana azy ireo hahafehy ny feni-panoratana ny teny. Teo ihany koa ny kilalaon-tsaina, nentina nanentanana ny ankizy sy tanora hitia sy hirehareha amin’ny fahaizana ny teny malagasy. Randriamananoro Augustin, minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, izay nitarika ity lanonana ity kosa, dia nanome toky fa hanao ny ezaka rehetra hampiroboroboana ny teny malagasy, indrindra ho an’ireo tanora sy taninketsan’ny fanoratana. Araka izany, ny ministera dia hanome sehatra ireo mpanoratra misongadina, amin’ny alalan’ny fanontana ny asa sorany. Mendrika, ireo mikajy sy manabevoho ny tenin-dreny, hoy ny Minisitra, ka rariny raha omena sehatra sy anjara toerana ary tan-tsoroka.

Tetikasa maro

Hatao sehatra ivelaran’ny teny malagasy sy hampiroboroboana azy ireo ny tranoben’ny kolontsaina manerana ny Nosy, hoy hatrany ny Minisitra Randriamananoro Augustin. Etsy an-daniny, hohatevenina ny fandaharana ao amin’ny haino aman-jerim-pirenena, ho an’ireo maniry ny hizara ny sangan’asany, indrindra ny amin’ny tenim-paritra. Hapetraka ihany koa ny tranonkala ho an’ireo zanaka malagasy any am-pielezana, mba ho fanampiana ireo fianakaviana izay maniry ny hitaiza ny zanany amin’ny teny malagasy sy ny kolontsaina malagasy. Ankoatra izay, ny ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina dia nametraka Fitaleavana misahana ny Fampiroboroboana ny Teny malagasy ao aminy, sy tahala manokana ao amin'ny Tranombokim-pirenena Anosy, ahafahana mandalina tahirin-kevitra momba ny teny malagasy.

Lire la suite

Articles Similaires