• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Scouts Madagasikara
Image
Vaovao

Skotisma : Hetsika maro no hanamarihana ny Andron’ny Fifampahatsiarovana

21/02/2024 12:52 © Moov.Mg

Marihina rahampitso ny andro maneran-tany ho an'ny fifampahatsiarovana. Mankalaza azy io isan-taona ny Skoto rehetra eran’izao tontolo izao. Ho an’ny eto Madagasikara dia hetsika maro no anamarihana izany.

Manao fanamiana

Ny fanaovana fanamiana no fomba mahazatra indrindra fanamarihan’ny Skoto maneran-tany ny andron’ny 22 febroary. Tamin’ity taona ity, ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena dia namoaka filazana manokana, izay mampahafantatra fa ny skoto rehetra eny anivon'ny birao sy ny toeram-pianarana, na mpianatra, na mpampianatra, na mpandraharaha, na talen-tsekoly... dia afaka manao fanamiana maha-skoto avokoa, amin’io andron’ny rahampitso io, eny amin’ny sekoly miankina amin’ny Fanjakana. Tokony ho afaka manao izany ihany koa ny eny amin’ny sekoly hafa, fa miankina amin’ny fandaminana anefa. Eto Madagasikara moa dia misy fironana 5 lehibe ny Skoto, dia ny Antilin’i Madagasikara (AIM), ny Kiadin’i Madagasikara (KIM), ny Tily eto Madagasikara (TEM), ny Fanilon’i Madagasikara (FIM) ary ny Mpanazava Eto Madagasikara (MEM).

Fanomezana ra

Isan’ny hetsika goavana hotanterahina amin’io andron’ny rahampitso io ny fanomezan-dra hataon’ireo mpikambana Skoto rehetra tsy an-kanavaka, tarihin’ny Firaisan’ny Skotisma eto Madagasikara manabe ZazaLahy (FSM-ZL). Eny amin’ny ANS Ampefiloha, rahampitso alakamisy manomboka amin’ny 8 ora maraina, no hanaovana izany. Arahin’ny fanentanana isan-karazany ity hetsika ity, ary koa ny lalao izay mampiavaka ny fomba fanabeazana skoto. Isan’ny hiompanan’ny hetsika ny fampitan-kafatra momba ny fandriampahalemana (Messenger of Peace) sy ny fiarovana amin’ireo karazana loza sy herisetra (Safe from Harm) izay mety hitranga eo anivon’ny skotisma, toy ny fanararaotana, ny fanilikilihana, ny fandrahonana, ireo endrika tsy fanajana rehetra…

Fikajiana ny tontolo

Ny Skotisma Zazavavy Malagasy indray dia hiompana amin'ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fanentanana hahay hikajy ny tontolo, ao anatin’ny lohahevitra hoe : "Ny tontolontsika, ny ho avintsika mamiratra". Eny amin’ny Lycée Moderne Ampefiloha izy ireo no hifamotoana amin’ny sabotsy 24 febroary ho avy izao. Atrik'asa hiombonana isan-tsampana, harahina fanentanana no hotontosaina mandritra izany. Sady ankalazana ny Andron'ny Fifampahatsiarovana, izay iraisan’ny Skotisma Zazavavy rehetra io andro io no hankalazana ihany koa ny Andron'ny Mpanorina, izay iraisana amin'ny Skoto maneran-tany. Ny Skoto rehetra amin’ny ankapobeny, any amin’ny Faritra moa, dia samy nanomana fankalazana ity andron’ny 22 febroary ity avokoa.

Lire la suite

Articles Similaires