• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Tribunal Ankazobe
Image
Vaovao

Famonoana ny Ben’ny Tanànan’Andranomiely : Olona 24 indray no voasambotra

09/02/2024 17:24 © Moov.Mg

Nitombo indray ny isan’ireo olona voasambotra tao anatin’ilay raharaha famonoana ny Ben’ny Tanànan’Andranomiely Sud, Distrikan’Ankazobe, tranga niseho tamin’ny 7 janoary lasa teo. Nitondra fanazavana mikasika izany androany ireo mpitandro ny filaminana mivondrona ao anatin’ny FDS (Forces de Défense et de Sécurité).

Hetsika « Harato II »

Olona miisa 24 hafa indray no voasambotra tamin'ny raharaha famonoana ny Ben'ny tanànan’Andranomiely, ka ny 16 tamin’ireo no lehilahy ary 8 no vehivavy. Ny lehilahy 15 dia notanana am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy, raha nahiditra am-ponja vonjimaika ao amin'ny fonjan'Ankazobe kosa izy 8. Araka ny tatitra nataon’ireo mpitandro ny filaminana omaly dia tao anatin’ilay hetsika « Harato II », izay iarahan’ireo Zandary sy ny Tafika mivondrona ao anatin’ny FDS misalahy, no nahafahana nisambotra ireto olona ahiana ho nandray anjara tamin’ilay vonoan’olona ireto. Raha tsiahivina dia tamin’ny fiandohan’iny volana janoary lasa iny no niantombohan’izany hetsika « Harato II » izany ary tena mbola ao anatiny tanteraka ny mpitandro ny filaminana amin’izao fotoana izao.

Atidoha miisa 4

Araka ny tatitra nataon’ny Zandary sy ny Tafika androany ihany koa dia olona miisa 4 no atidoha nikotrika iny raharaha iny ary efa fantatra daholo ny anaran’izy ireo. Voalazan’ireto mpitandro ny filaminana ireto fa haparitaka tsy ho ela ny sarin'izy ireo mba ho hitan’ny fokonolona, satria dia hatao hazalambo mihitsy izy ireo. Raha tsiahivina dia efa nisy olona miisa 9 voarohirohy amin’ity raharaha famonoana ny Ben’ny tanànan’Andranomiely Sud ity, izay niakatra fampanoavana ny 23 janoary lasa teo. Raha ny nivoaka taorian’ny fanadihadiana dia ahiana ho misy ambadika valifaty ity tranga ity. Lehiben’ny Fokontany mantsy ny 2 tamin’ireo olona miisa 9 efa voasambotra tany aloha. Talohan’ny nahafatesany dia nampiantso azy ireo ilay Ben’ny tanàna, noho izy ireo voalaza fa naka vola tamin’olona ahiana ho olon-dratsy. Mbola mitohy hatrany ny fanadihadiana, mba hivoahan’ny marina rehetra momba ity raharaha ity. Mitohy ihany koa ny fampandrian-tany tanterahin’ny FDS.

Lire la suite

Articles Similaires