• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mtp
Image
Vaovao

Fako be eny Anosipatrana : Afindra eny Andralanitra amin’izay

30/01/2024 15:19 © Moov.Mg

Nampimenomenona ireo olona monina manodidina an’Anosipatrana, Firaisana faha-4, sy ireo mpandalo, ny nametrahana ilay fanatobiana fako vonjimaika teny an-toerana. Ankoatra ny fako niparitaka nameno ny lalana, dia tsy laitra ihany koa ny fofona. Nanomboka namaha ny olana momba izany androany ny Goverinoran’ny Faritra Analamanga, nampian’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy.

Fanatobiana fako vonjimaika

Taorian’ny fitarainan’ireo mponina manodidina, amin’ny fofona sy ny aretina ateraky ny fakon’Antananarivo navangongo vonjimaika teny Anosipatrana, narahin’ny antso sesilany nataon’ireo mpampiasa tambajotra Facebook, dia nidina teny amin’ilay toerana fanatobiana fako eny Anosipatrana ny Goverinoran’ny Faritra Analamanga, Hery Rasoamaromaka. Nambarany fa noho ny olan'ny lalana mankeny Andralanitra no antony nanariana vonjimaika teo Anosipatrana ny fako teto an-drenivohitra. Amin'izao fotoana izao anefa dia efa miverina amin'ny laoniny ny fidirana eny Andralanitra, ka ajanona hatreo ny fanatobiana ny fako eny Anosipatrana, ary efa nirosoana ny fanadiovana eny an-toerana. Efa nanomboka nandroka ireo fako ireo fitaovana voalohany, ka nahafahana nanalalaka ny arabe eto amin’ny digy Anosipatrana. Nampiomana kosa anefa ny goverinoran’Analamanga, fa ho tapaka mandritra ny 24 ora mahery ny fifamoivoizana eny amin’ity tobim-pako vonjimaika eny Anosipatrana ity, noho izany fanadiovana atao izany.

Fanamboarana tsy maintsy natao

Isan’ny mandray anjara amin’ny hetsika famahana ny olan’ny fako mivangongo eto Antananarivo Renivohitra ny Minisiteran’ny Asa Vaventy. Ankoatra ny fanesorana ireo fako mantsy, dia nisy ny asa tsy maintsy natao teny amin’ny fanatobiana fako teny Andralanitra. Nananosarotra ho an’ireo fiarabe mpitatitra fako ny niditra teny, noho ny fahateren’ny lalana sy ny fahatsentsenan’ny lakandrano. Ny Minisiteran’ny Asa Vaventy, noho izany, no nanamboatra ny lalana, efa nanomboka ny 19 janoary lasa teo. Nifantoka tamin’ny fanilihana ny fako nibahan-dalana sy ny fanesorana ny fotaka, mba hampalalaka ny lalana, ny ampahany voalohany tamin’ny asa. Nitohy tamin’ny fanamafisana ny lalana ny ampahany faharoa. Ankehitriny dia efa vita tanteraka ny asa goavana teny an-toerana, araka ny fampitam-baovaon’ny ministeran’ny Asa Vaventy, izay naharitra roa herinandro. Araka izany, efa malalaka sy azon’ireo fiarabe mpitatitra fako hivezivezena ny eny Andralanitra ankehitriny.

Tsy hijanona ny asa fanadiovana ny eny Anosipatrana, raha ny fanazavana, raha tsy madio tanteraka ny eny an-toerana, ka efa irosoana avy hatrany ny fitaterana ny fako mankany Andralanitra. Tsy hanariana fako intsony iny faritra iny, manomboka androany.

Lire la suite

Articles Similaires