• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Douane Malagasy - Smart Scanning : Adiny 3 sisa ny famoahana kaontenera

25/01/2024 11:50 © Moov

Raha 30 ora be izao no lany amin'ny famoahana kaontenera iray, adiny 3 izany sisa. Notokanana androany 25 janoary ny Smart Scanning, tetikasa notontosain'ny Fadintseranana Malagasy mba hanenana ny fotoana sy ny vola lany amin'ny fanafarana entana avy any ivelany.

Fivoarana hatrany

Tsy mitsahatra mivoatra ny Fadintseranana Malagasy. Mampihatra ireo tetikasa fanatsarana ny fomba fiasa hatrany io rantsan'ny ministeran'ny Fitantanambola io, mba hahazoana vokatra tsara ka hanomezana fahafampo ireo mpandraharaha rehetra. Nahazo fitaovana vaovao ny eo anivon'ny seranantsambon'i Toamasina, hanatanterahana "scan" vetivety kokoa. Ora sisa no isaina raha hamoaka "conteneur", raha andro roa izany teo aloha. 98%-n'ireo entana rehetra nafarana dia handalo eo amin'izany fitaovana arifomba izany avokoa. Azo antoka fa hihena ny vola lany amin'ny famoahana entana.

I Toamasina moa no mandray ny fankalazana ny Andro iraisampirenena ho an'ny Fadintseranana (Journée internationale des Douanes) amin'ity taona ity, ka ny fanokanana ilay "Smart scanning" no nanokafana izany. Teo ihany koa ny fanolorana mari-pankasitrahana ireo mpiasa mendrika sy ireo mpiaramiombon'antoka. Mbola maro ireo hetsika hotontosaina rahampitso 26 janoary. Anisan'izany ny varavarana misokatra eny amin'ireo biraon'ny fadintseranana sy ny "conférence-débat" eny amin'ny Oniversiten'i Barikadimy.


Copyright Image : © Moov

Asa mitohy

Tsy vita hatreo akory ny ezaky ny fadintseranana Malagasy. Mbola maro tokoa ny vina ho tratrarina. Ireo tanjona rehetra napetraka tamin'ny taona 2022 dia efa 53% no tratra tamin'ny farany taona 2023, ary hiakatra hatrany amin'ny 75% izany amin'ity faran'ity taona 2024 ity. Anisan'ny imasoana fatratra ny fanaraha-maso ireo entana mivoaka sy miditra eto Madagasikara. Raha tamin'iny taona 2023 iny dia efa maherin'ny 50 ireo trangana fikasana hanondrana harempirenena antsokosoko tra-tehaka. Tsy ny eny amin'ny seranampiaramanidina Ivato ihany no tena nahatratrarana ireo mpanao ratsy fa efa nahitana tranga maro ihany koa manerana ny Nosy : Fort-Dauphin, Toamasina, Mahajanga, sns.
Amin'ny volana febroary no andrasana ireo fitaovana rehetra ampiasaina amin'ny fampiaharana ny "intelligence artificielle" hanamafisana ny fanaraha-maso ireo mpandeha sy ireo entana. Hisy ny fanaovana "profiling" ireo mpandeha tsirairay hahafantarana mora kokoa ireo mampiahiahy.


Copyright Image : © Moov

Fanomezan-tanana

Nanotrona ny lanonam-pankalazana ny JID 2024 tao Toamasina ireo mpanohana ara-teknika sy ara-bola (Partenaires Tehniques et Financiers) ny Fadintseranana Malagasy toy ny BAD sy ny FMI. Maro ireo tetikasa vatsian'izy ireo vola, raha tsy hilaza afa-tsy ny fametrahana ny Smart scanning eny amin'ny seranantsambo sy fitaovana hanaraha-maso ny mpandeha amin'ny alalan'ny "Intelligence artificielle" eny amin'ny seranampiaramanidina. Nanolotra solosaina ireo mpanohana ireo androany.


Copyright Image : © Moov

Lire la suite

Articles Similaires