• Cours de change
  • 4675.61 AR
  • |
  • $4353.37 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fasan’ny karàna : Tovovavy roa tratra nivarotra rongony

10/06/2023 07:33 © Midi Madagasikara

Angamba mahazatra ary mora fantatra sy tsikaritra raha toa ka lehilahy no handeha hivarotra rongony eny amin’ny tobim-piantsonan’ny taxi-brousse mianatsimo iny.

Tovovavy no halefan’ireo mpibizina, amin’izay tsy mahasarika loatra ny mason’ireo mpitandro filaminana. Diso tanteraka anefa ! Ny andron’ny alakamisy lasa teo, vehivavy roa, mbola ao anatin’ny hatanorana, 24 sy 23 taona no voasambotry ny pôlisy misahana ny zava-mahadomelina teny amin’ny Fasan’ny karàna.

Tamin’ny fisavàna azy ireo dia mbola nahitàna fonosan-drongony maromaro tany amin’izy ireo. Raha ny fampitam-baovaon’ny pôlisy, dia mampitaraina ny mponina eny amin’iny faritra manodidina ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina, indrindra fa ny rongony. Efa re siosio ary tonga teny am-poto-tsofin’ireo pôlisy ny fisiana olona mpamatsy izany zava-mahadomelina izany teny an-toerana. Taorian’ireo fitairanana maromaro ireo dia niroso tamin’ny fidinana teny ifotony ireo pôlisy ary nanao ny fanaraha-maso ny manodidina. Tsikaritr’izy ireo tamin’izany ny fisian’ireto vehivavy ireto ary nanaovana vela-pandrika. Tra-tehaka tsy afa-niala intsony tao anaty vovo izy roa vavy, ary nosamborina avy hatrany.

« Baombana rongony 17 isa ary rongony rarany 300g izay amidiny 5000ar ny baomba iray raha 500ar ny fonosana iray » hoy ny vaovao azo. Nentina avy hatrany nihazo ny biraon’ny polisy tetsy Anosy araka izany izy roa ary nanaovana famotorana. Nandritra izany, hoy hatrany ny fampitam-baovao no nilazan’ny iray tamin’izy ireo fa hoe nisy naniraka. Raha vao nahazo ny toerana misy ity « mpaniraka » ity moa ireo mpanao fanadihadiana dia nihazo avy hatrany ny toerana.

« Tsy tratra tao an-trano ity farany ny andro nahatongavan’ny polisy (…) ». Omaly ireto roa vavy mpibizina rongony ireto no fantatra fa natolotra ny Fampanoavana.

m.L

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo