• Cours de change
  • 4688.34 AR
  • |
  • $4422.6 AR
Copyright Image : © Polisim-Pirenena
Image
Vaovao

Halatra fiara 4x4 : Hita ilay fiara, ilay nangalatra

07/06/2023 17:54 © Moov.Mg

Fiara tsy mataho-dàlana iray, izay nisy nangalatra, no hitan’ny avy eo amin’ny poly miasa eo anivon’ny « sûreté urbaine ».

Ny talata 06 jona, izany hoe, ny tontolo andron’ny omaly no very nisy nangalatra teo amin’ny fiantsonan’ny fiara tao amin’ny score Tanjombato ny fiara 4x4 iray. Nanao fampilazana teo amin’ny tambazotran-tserasera facebook ny tompony, vantany vao niseho ny tranga. Rehefa nahita izany teo anivon’ny polisy dia avy hatrany dia nanao asa fikarohana.
Mpamily taxi iray ary no nahiana ho tompon’antoka tamin’ity fangalarana fiara ity. Natao avy hatrany ny fitsirihana sy ny fanaraha-maso, koa voamarina fa io olona nahiana io tokoa no nangalatra ilay fiara. Lehilahy iray 46 taona ity mpamily taxi izay fantatra fa nangalatra ilay fiara ity. Anio alarobia 07 jona tokony ho tamin’ny 01 ora tolakandro izy no tratra tao Ankadilalampotsy Ankaraobato. Efa hita ihany koa ilay fiara izay nafeniny tao anaty kizo.
Manomboka mahazo vahana indray ankehitriny ny halatra fiara. Tsy reraka mitady hirika hanaovana ny asa ratsiny hatrany ireo mpangalatra. Etsy an-dàniny dia miaina anaty tebiteby ny vahoaka. Manoloana izany kosa dia manao ny ainy tsy ho zavatra ireo mpitandro ny filaminana, ary miara-miasa akaiky amin’ireo mpanome vaovao mari-pototra mba hahitana vokatra tsara.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo