• Cours de change
  • 4625.72 AR
  • |
  • $4388.49 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Mpandefa mpiasa any Maorisy : Voasambotry ny zandary ilay mpisoloky

25/05/2023 09:44 © Midi Madagasikara

Efa maro ireo teo aloha no voasambotra ary manefa ny saziny any am-ponja. Mbola misy ihany anefa ireo mipoitra vaovao indray ary dia mbola tsy vitsy ihany koa no tafaroboka hatrany anaty haraton’izy ireo.

Vehivavy iray no very telo tapitrisa ariary be izao rehefa voaresy lahatra fa halefa hiasa atsy amin’ny Nosy rahavavy, ao Maorisy ! Ny volana febroary lasa teo, araka ny fampitam-baovaon’ny zandary no nifanena tamina lehilahy iray ity farnay, izay milaza afaka mahavita mandefa mpiasa any an-toerana. Rehefa noezahin’ity lehilahy ity noresana lahatra tamin’ny atsanga tsy aman’orana sy ny varotra saka beloha rehetra iny ity ilay vehivavy dia tafalatsaka ihany nony farany. Dia loza tokoa anefa ity te hikatsaka fiainana tsaratsara sy handao ny firenena ity e ! Nambaran’ingahirainy tamin’izany fa mila vola tokoa mialohan’ny rehetra, hanaovana ny taratasy rehetra. Tsy vola kely anefa aman-tapitrisany maro izany vola izany. Ary dia nanome tokoa ilay vehivavy. Vao azo anefa ny vola dia tsy hita tany nanjavonana intsony ingahy mpandefa mpiasa. Tsy azo antso ary tsy fantatra na aiza na aiza. Nandeha ihany ny andro sy ny volana, ary tonga aty amin’ny volana May ihany fa tsy nisy tamingana taratasy na asa hita taratra akory tany ho any.

Nametraka fitoriana avy hatrany teny amin’ny tobim-paritry ny zandary tany Talatamaty aza ilay lasibatra. Tsy niandry ela akory, fa taorian’ny fandraisana an-tanana ny raharaha sy ny fikarohana ilay mpisoloky dia voasambotra teny amin’iny faritra Alasora iny ny lehilahy. Ary fantatra tao anaty anatin’ny famotorana azy fa tsy io vehivavy io irery akory no efa tafajoboka fa efa maromaro ihany. Tsy mitsahatra ny manentana hatrany ny eo anivon’ny zandary ny amin’ny tokony hahamailo avy hatrany, indrindra fa ireny resaka hoe olona afaka mampiditra mpiasa etsy sy eroa ireny.

m.L

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo