• Cours de change
  • 4625.72 AR
  • |
  • $4388.49 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fifidianana filoham-pirenena : Efa manana sary manokana ny ankamaroan'ireo te ho kandidà

17/03/2023 06:10 © Moov.Mg

Vao nanomboka ny taona 2023 dia tsikaritra fa mifantoka amin'ny fifidianana amin'izay ny ankabeazan'ireo mpanao politika eto Madagasikara. Efa miezaka manangona olona hanohana azy ny kandida tsirairay.

Propagandy mialohan'ny fotoana

Amin'ny tambazotran-tserasera Facebook dia efa manana "page" avokoa ireo heverina fa kandidà. Amin'izany indrindra moa no ahitana vaovao isan-karazany mikasika ny hetsika ataon'ireo maniry hilatsaka ho fidiana filoham-pirenena. Izany moa no ataoan'izy ireo dia noho ny fiakaran'ny tahan'ny malagasy mampiasa ny teknolojia avo lenta, ahafahana misitraka ny aterineto.
Samy manantona vahoaka ireo mikasa ny hirotsaska ho fidiana mba tsy ho vaovao intsony na ny endrika na ny foto-kevitra rehefa miditra anatin'ny fotoanan'ny fampielezan-kevitra ara-dalàna. Ao ireo mizara fanampiana, mihaino ny fitarainan'ireo vahoaka na ihany koa mandray anjara amin'ny hetsika isan-karazany mahavory vahoaka.
Ho an'ny filoham-pirenena teo aloha Marc Ravalomanana ohatra, asongadiny isaky ny hetsika atrehiny ny fehezanteny iray izay mirakitra fanentanana sy hafatra.

Fivoriana mikasika ny fifidianana

Hampivory ireo mpanao politika rehetra ny CENI amin'ny herinandro ho avy io. Hampahatsiahy ny lalàna mifehy ny fifidianana ny mpikarakara nasionaly. Tsikaritr'izy ireo tokoa mantsy fa tsy mitsaha-mitombo ny hestika politika manerana ny Nosy. Ho sarotra ihany nefa ny fanapahana satria ny mpitondra ankehitriny mihitsy no mitarika ny propagandy mialohan'ny fotoana. Efa miendrika fampielezan-kevitra tokoa ireo fitsidiham-paritra arahina kabary politika sy fizarana fanomezana. Ho an'ny teto an-drenivohitra omaly, ho an'ny IRD, efa nivoaka ireo T-Shirt volom-boasary sy ny saina misy ny sarin'ny filoham-pirenena Andry Rajoelina.
Maro ireo mpanao politika, indrindra moa fa ny mpanohitra, no manahy ny amin'ny hisian'ny korontana amin'ny fifidianana filoham-pirenena amin'ny volana novambra.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo