• Cours de change
  • €4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © W
Image
Fahasalamana&Sakafo

Aretin’ny fo : ireo famantarana mangina tsara ho fantatra

29/09/2026 14:22 © Moov.Mg

Tsy voatery hiseho amin’ny soritr’aretina mahery vaika foana ny aretin’ny fo sy ny lalandrà. Matetika, alohan'ny hisian'ny aretim-po tampoka na AVC (tapaka lalandrà), dia efa mandefa famantarana madinika ny vatana. Amin’izao andro maneran-tany ho an’ny fo izao dia andeha ho fantarina eto ireo famantarana mangina mety maneho aretin’ny fo. Ny fahafantarana mialoha ireo soritr’aretina dia afaka manampy amin’ny fitiliana sy fitsaboana hainga kokoa.

Famantarana mangina maneho aretin’ny fo : sempotra tsy mahazatra

Ara-dalàna ny fahatsapana sempotra rehefa avy manao ezaka mafy. Raha toa kosa ka mahatsiaro sempotra rehefa manao asa andavanandro toy ny mandeha an-tongotra, miakatra tohatra, na mitondra entana maivana, dia mety ho famantarana olana amin’ny fo izany. Rehefa tsy mahavita mifoka rà tsara ny fo dia mihena ny oksizenina tonga any amin’ny taova sy ny hozatra ka miteraka fahasemporana. Ny fahapatsapana fahasarotana miaina rehefa mandry dia soritr’aretina tokony hampanahy sy hanosika hanao fizahana ara-pitsaboana.

Havizanana maharitra tsy mazava antony

Tsy ara-dalàna ny fahatsapana rera-dava sy maharitra rehefa natory tsara sy ampy torimaso. Tsy tokony ho heverina ho vokatry ny taona na adin-tsaina fotsiny ihany izany. Mety ho avy amin’ny tsy fahafahan’ny fo mampita rà sy oksizenina ampy manerana ny vatana izy io. Anisan’ny famantarana voalohany amin’ny olana eo amin’ny fo tokony hahamailo ny fahatsapana ho lasa mora vizaka rehefa manao asa na ezaka mora izay fanao taloha sy efa nahazatra.

Fitempon'ny fo tsy ara-dalàna

Mety hitempo mafimafy kokoa ny fo rehefa matahotra na avy manao ezaka. Raha miverimberina matetika kosa nefa ny fahatsapana hoe tsy ara-dalàna ny fitempon’ny fo, na toy ny mitsambikina tampoka ny fitempony, dia mety manambara izany fa misy olana amin’ny gadon’ny fo (rythme cardiaque). Ny tsy olana eo amin’ny gadon’ny fo sasany dia mety mampitombo ny « risques » hahavoan’ny AVC.

Fivontosan'ny tongotra sy kitrokely

Ny fivontosana matetika eo amin'ny tongotra na ny kitrokely dia mety milaza fa tsy misy tsy fahatomombanana eo amin’ny fikorianan’ny rà noho ny tsy fahombiazan’ny fo. Vokatr’izany dia lasa miangona ao anatin’ny vatana ny tsiranako. Isan’ireo soritr’aretina fahita eo amin’ny olona manana tsy fahombiazan’ny fo moa izy io. Mety hiaraka amin’ny havizanana sy fahasemporana moa izany.

Fanaintainana any amin'ny faritra hafa ankoatra ny tratra

Rehefa miresaka olana amin'ny fo dia ny fanaintainana eo amin'ny tratra no tonga ao an-tsaina voalohany. Amin'ny tranga sasany nefa dia mety hiseho any amin’ny faritra hafa ny fanaintainana, toy ny any amin’ny vozona, valanorano, lamosina, soroka, sandry, na eo amin'ny tapany ambonin’ny kibo. Mety handalo sy hiverimberina ireo fanaintainana ireo ka matetika afangaro amin’ny olana amin’ny hozatra na ny fandevonan-kanina.

Rahoviana no tokony hanatona dokotera?

Tsara ny manatona mpitsabo raha miseho matetika na miharatsy ireo soritr'aretina ireo. Raha misy fanaintainana mafy eo amin'ny tratra, sempotra tampoka sy mafy, na tsy fahatsiarovan-tena, dia mandeha tobim-pahasalamana haingana.

Lire la suite

Articles Similaires