Ireo antony tsy dia fantatra mahatonga fahatsapana fanina vetivety
Tranga mety miseho ny hoe mihodikodina tampoka ny loha rehefa mitsangana tampoka, manodina loha… Matetika dia vetivety ihany io fahatsapana fanina io ary tsy dia mampanahy loatra. Mahazàna dia ny rarintsaina, ny havizanana, na ny olana amin'ny sofina anatiny no mahatonga ny fahatsapana fanina. Misy ihany koa nefa ireo antony hafa miafina sy tsy dia fantatra mety mahatonga izany. Araho eto ny santionany amin’izy ireo.
Inona no atao hoe fanina vetivety?
Ny fanina dia fahatsapana ho toa mihetsika na mihodinkodina izany na dia tsy mihetsika akory aza ny vatana. Misy olona mahatsapa toy ny mihodina manodidina azy ny efitrano, fa ny hafa kosa mahatsiaro ho very fifandanjana na tsy mahavita mijoro tsara. Ny « fanina vetivety » dia fahatsapana fanina mandritra ny fotoana fohy, izay maharitra segondra vitsy hatramin’ny minitra vitsy, avy eo misinda ho azy. Maro ireo antony miafina na tsy dia fantatra firy mety mahatonga azy io.
Fanina vetivety : vokatry ny tsy fahampiana rano ao amin’ny vatana
Maro ny olona tsy mahalala fa ny tsy fisotroana rano ampy dia mety hiteraka fahatsapana fanina. Rehefa tsy ampy rano ny vatana dia mihena ny habetsahan'ny rà mivezivezy, ka mety hampidina vetivety ny tosidrà. Vokatr'izany dia mihena kely ny « oxygène » tonga any amin'ny atidoha. Izany dia mahatonga fahatsapana ho maivana ny loha na fanina. Mety hitranga izany rehefa mafana be ny andro, aorian'ny fanaovana fanatanjahantena mafy, na rehefa tsy ampy ny rano sotroina mandritra ny andro.
Fidinan'ny tosidrà rehefa mitsangana
Misy olona mahatsiaro fanina rehefa mitsangana tampoka avy eo am-pandriana na avy mipetraka ela. Izany tranga izany no antsoina hoe « hypotension orthostatique ». Mitranga izy io rehefa mila fotoana kely ny tosidrà vao mahavita mifanaraka amin’ny fiovan’ny toerana misy ny vatana. Matetika ny olona efa nahazo taona, ny vehivavy bevohoka sy ireo olona mihinana fanafody mampidina tosidrà sasany no tena tratran’izy io.
Tsy fahampian'ny otrikaina sasany
Indraindray, ny tsy fahampian'ny « fer », vitamina B12, na « folates » dia mety hiteraka fahatsapana fanina na dia mbola tsy miseho aza ireo soritr'aretina hafa. Ireo otrikaina ireo dia ilaina amin'ny fitaterana « oxygène » ao amin'ny vatana sy amin'ny fiasan'ny « système nerveux ». Rehefa tsy ampy izy ireo dia ho ampy ny « oxygène » hazon’ny atidoha ka hiteraka fanina. Mety hisy soritr’aretina hafa hiaraka amin’izany, toy ny havizanana maharitra, mora sempotra, na olana amin'ny fifantohana.
Fihenan'ny tahan'ny siramamy ao anaty rà
Ny tsy fihinanana sakafo ara-potoana na ny fijanonana ela tsy misakafo dia mety hampihena ny tahan'ny siramamy ao anaty rà. Amin'ny olona sasany, izany dia miteraka fahatsapana fanina, malemilemy, mangovitra ary hatsembohana mangatsiaka. Mety hitranga amin'ny olona voan'ny diabeta izany, fa mety hitranga amin'ny olona salama ihany koa rehefa noana ela loatra.
Fihenjanan'ny hozatry ny hatoka
Manana anjara toerana lehibe amin'ny fitazonana ny fifandanjana ihany koa ny hozatry ny hatoka. Ny fijoroana na fipetrahana amin'ny fomba tsy mety ela, toy ny miasa maharitra eo anoloan'ny solosaina, na ny fihenjanan'ny hozatra ao amin'ny hatoka dia mety hanakorontana ny fampahalalana alefan'ny vatana any amin'ny atidoha momba ny toerana misy ny loha. Izany dia mety hiteraka fahatsapana fanina vetivety miaraka amin'ny fanaintainana na fihenjanana ao amin’ny hatoka.
Vokatry ny fanafody sasany
Maro ny fanafody mety hahatonga fahatsapana fanina ho isan’ireo voka-dratsiny. Anisan'izany ny fanafody mampidina tosidrà, ny fanafody fampatoriana, ny « antidepresseurs », ary ny fanafody sasany manohitra ny « allergies ». Raha vao nanomboka nihinana fanafody vaovao ka nahatsiaro fanina, dia tsara ny milaza izany amin’ny mpitsabo nanome ny fanafody.
Rahoviana no tokony hanatona dokotera?
Na dia tsy mampanahy aza ny ankamaroan'ny fahatsapana fanina vetivety, dia ilaina ny manatona mpitsabo raha misy ireto soritr'aretina manaraka ireto:
-Miverimberina matetika na maharitra ny fanina;
-Torana na very saina;
-Sahirana miteny;
-Malemy tampoka ny ilany iray amin'ny vatana;
-Manjavozavo tampoka ny fahitana;
-Marary andoha mafy tsy mahazatra;
-Mihena tampoka ny fahenoana.
Ireo famantarana ireo dia mety manondro aretina mila fitsaboana haingana.




