• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Romain Fournet Coaching
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fahasalamana : ireo fahazarana miaro ny fo rehefa mihoatra ny 40 taona

04/09/2026 11:52 © Moov.Mg

Rehefa mihoatra ny 40 taona ny olona iray dia manomboka mitombo tsikelikely ny mety hisian'ny aretin’ny fo sy ny lalandrà. Ny fahanterana voajanahary, ny fiovan'ny hormonina, ny rarintsaina miangona ary ny fomba fiaina tsy mahasalama dia mety hamparefo ny fo sy ny lalandrà. Na izany aza dia misy fahazarana tsotra azo ampiharina isan'andro izay afaka manampy hiaro ny fo sy hitazona azy ho salama rehefa mihoatra ny 40 taona.

Fahazarana miaro ny fo : manao fanatanjahantena tsy tapaka

Anisan'ny namana akaiky indrindra ho an'ny fo ny fanatanjahantena. Ny fizarana manao fanatanjahantena dia manatsara ny fikorian’ny rà, manampy amin'ny fitazonana tosidra ara-dalàna ary mampihena ny « risques » ho lasa matavy loatra sy ny hisian’ny diabeta.
Tsy voatery hanao fanatanjahantena mafy. Ny fandehanana an-tongotra haingana mandritra ny 30 minitra isan'andro, ny bisikileta, ny filomanosana na ny asa zaridaina aza dia efa mahasoa ny fo. Ny zava-dehibe dia ny fanetsiketseham-batana matetika sy ny fisorohana ny fipetrahana ela loatra.

Mihinana sakafo mahasoa ny fo

Misy fiantraikany mivantana amin'ny fahasalaman'ny fo ny sakafo hohanintsika. Rehefa mihoatra ny 40 taona dia tsara ny manome lanja bebe kokoa ny: voankazo sy legioma; vary sy voamadinika tsy voahodina be; tsaramaso, voanjo ary legioma maina; trondro manankarena oméga-3; voanjo sy voa isan-karazany.
Tokony hahena kosa ny fihinanana sakafo be sira; sakafo voahodina be; zava-pisotro mamy; tavy be hita amin'ny sakafo nendasina sy « charcuterie » sasany. Ny sakafo voalanjalanja dia manampy amin'ny fitazonana ny tahan'ny « cholestérol » ho ara-dalàna sy ny fiarovana ny lalandrà.

Manara maso tsy tapaka ny tosidra

Matetika antsoina hoe « aretina mangina » ny fiakaran’ny tosidra noho izy io mety tsy haneho soritr’aretina mandritra ny taona maro. Rehefa mihoatra ny 40 taona dia ilaina ny mijery tosidra matetika, na dia mahatsiaro tena salama aza.
Ny tosidra ambony dia mampitombo ny loza mety hahazo aretim-po, AVC ary fahatapahan'ny fiasan'ny fo. Ny fitiliana mialoha dia ahafahana mandray fepetra haingana raha ilaina.

Mitazona ny lanja ara-pahasalamana

Rehefa matavy loatra ny olona iray dia voatery miasa mafy kokoa ny fo mba hampikoriana ny rà manerana ny vatana. Ny tavy miangona eo amin’ny kibo dia isany tena mampanahy indrindra satria dia mampitombo ny « risques » hisian’ny aretin’ny fo sy ny lalandrà izany.

Atasahatra ny fifohana sigara

Anisan'ny antony lehibe mahatonga aretim-po ny fifohana sigara. Ny sigara tsirairay dia manimba ny lalandrà, mampiakatra ny tosidra ary mety manentsina ny lalandrà. Ny vaovao tsara dia manomboka mahazo tombontsoa ara-pahasalamana avy hatrany ny vatana rehefa mitsahatra mifoka sigara, na firy taona na firy taona.

Ferana ny fisotroana toaka

Ny fisotroana toaka tafahoatra dia mety hampiakatra ny tosidra sy hampisy olana amin'ny fiasan'ny fo. Tsara ny misotro toaka amin'ny antonony ary misotro rano matetika mba hiarovana ny fahasalaman'ny fo.

Tandremo ny torimaso

Mitana anjara toerana lehibe amin'ny fandanjalanjana ny tosidra sy ny fahasalaman'ny vatana amin'ny ankapobeny ny torimaso. Ny tsy fahampian-torimaso maharitra dia mety hampitombo ny mety hisian'ny aretim-po. Mba hahazoana torimaso tsara kokoa dia tsara raha :
-Matory sy mifoha amin'ny ora mitovy isan'andro;
-Ahena ny fampiasana « écran » alohan'ny hatory;
-Tsy mihinana sakafo mavesatra loatra amin'ny alina;
-Atao mangina sy mampahazo aina ny efitra fatoriana.

Tsy atao ambanin-javatra ny fizahana ara-pitsaboana

Na dia salama aza ny olona iray dia ilaina hatrany ny manatona mpitsabo rehefa mihoatra ny 40 taona. Fahazarana iray manan-danja amin’ny fisorohana ny aretin’ny fo sy ny lalandrà ny fanaovana izany.
Afaka manombana ny mety ho loza manokana atrehan'ny marary ny dokotera, manoro fitiliana ilaina ary manampy amin'ny fametrahana paikady hiarovana ny fo amin'ny ho avy.

Lire la suite

Articles Similaires