• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Femme Actuelle
Image
Fahasalamana&Sakafo

Filàna siramamy na zava-mamy matetika : inona no mety anton’izany ?

04/09/2026 16:20 © Moov.Mg

Eritreretina ho zavatra tsotra ihany ny faniriana mafy hihinana sôkôla, « biscuits », zava-pisotro mamy na mofomamy. Indraindray nefa rehefa miverimberina matetika izany faniriana izany dia mety ho famantarana fa misy hafatra tian’ny vatana ampitaina. ‘Ndeha àry ho fantarina eto ny santionany amin’ireo antony mahatonga ny vatana mitady siramamy matetika sy ny fomba hiatrehana izany.

Filàna siramamy matetika : mety manambara havizanana ara-batana na ara-tsaina

Rehefa tsy ampy angovo ny vatana dia mitady sakafo afaka manome hery azy haingana. Ny sakafo misy siramamy dia ahitana « glucose » izay mora raisin’ny vatana ka manome hery vetivety.
Matetika kokoa noho izany ny fitadiavana na filàna sakafo mamy rehefa avy niasa mafy na nandalo fotoan-tsarotra ara-tsaina. Vetivety ihany nefa io hery azo io ary mety hiteraka harerahana indray afaka ora vitsivitsy aty aoriana.
Inona no azo atao?
-Matory ampy isan-kalina.
-Misakafo ara-potoana mandritra ny andro.
-Misafidy sakafo manankarena « fibre » sy « protéine » mba hitazonana ny herin’ny vatana.

Tsy fahampiana torimaso

Tsy ny havizanana ihany no vokatry ny tsy fahampiana torimaso. Mety hisy fiantraikany amin’ireo hormonina mifehy ny fahazotoan-komana ihany koa izany. Rehefa tsy ampy torimaso ny olona dia mitombo ny fahatsapana hanoanana ary mihamafy ny faniriana hihinana sakafo mamy sy be « caloria ».
Inona no azo atao?
-Miezaka matory adiny 7 ka hatramin’ny 9 ora isan-kalina.
-Ahena ny fampiasana « écran » alohan’ny hatoriana.
-Mametraka ora fatoriana sy fifohazana tsy miovaova.

Sakafo tsy voalanjalanja

Ny tsy fihinanana ara-potoana na ny fihinanana sakafo voahodina be dia mety hampiakatra sy hampidina tampoka ny tahan’ny siramamy ao anaty rà. Rehefa midina io tahan’ny siramamy io dia mitaky angovo haingana ny vatana ka mampitombo ny filàna siramamy. Izany no mahatonga ny olona maro hahatsapa filàna sakafo mamy amin’ny tolakandro na amin’ny hariva.
Inona no azo atao?
-Tsy mandingana ny sakafo maraina.
-Aleo misafidy voamadinika feno sy « glucide » mahasalama.
-Ampiarahana ny « protéine » sy tavy mahasalama rehefa misakafo.

Vokatry ny rarintsaina

Misy fiantraikany mivantana amin’ny fomba fihinanantsika ny rarintsaina. Rehefa miatrika olana na tebiteby ny olona sasany dia mahatsapa faniriana hihinana zavatra mamy satria manome fahatsapana fampiononana izany. Raha miverimberina nefa io fomba io dia mety ho lasa fahazarana sarotra ovaina.
Inona no azo atao?
-Manao fanatanjahantena tsy tapaka.
-Mampihatra teknika fampihenana rarintsaina toy ny « méditation » na « yoga », miala voly.
-Fantarina ireo toe-javatra mahatonga ilay filàna siramamy.

Fahazarana fa tsy tena filàn’ny vatana

Indraindray dia tsy noho ny hanoanana na tsy fahampian-tsakafo akory no mahatonga ny filàna siramamy, fa vokatry ny fahazarana tsotra izao. Ohatra, ny fihinanana tsindrin-tsakafo foana aorian’ny sakafo na ny fihinanana vatomamy rehefa mijery fahitalavitra dia mety hiteraka fahazarana maharitra.
Inona no azo atao?
-Ahena tsikelikely ny sakafo be siramamy.
-Soloina sakafo mahasalama kokoa ireo sakafo mamy be.
-Miandry minitra vitsivitsy alohan’ny hanomezana fahafaham-po an’ilay filàna mba hamantarana raha tena noana na tsia.

Mety misy tsy fahampian-tsakafon’ny vatana

Amin’ny toe-javatra sasany dia mety ho vokatry ny tsy fahampian’ny otrikaina sasantsasany ny filàna siramamy matetika, indrindra ny « magnésium ». Ity mineraly ity dia manana anjara toerana lehibe amin’ny famokarana angovo sy ny fiasan’ny rafi-pitatitra. Ny tsy fahampian’ny voankazo, legioma, tsaramaso ary voanjo amin’ny sakafo andavanandro dia mety handray anjara amin’izany.
Inona no azo atao?
-Mihinana sakafo manankarena « magnésium ».
-Miezaka mihinana sakafo isan-karazany sy voalanjalanja.
-Manatona mpitsabo raha maharitra ny havizanana na misy soritr’aretina hafa mampiahiahy.

Rahoviana no tokony hanatona mpitsabo?

Amin’ny ankapobeny dia tsy mampanahy ny faniriana siramamy na zava-mamy indraindray. Tsara ihany anefa ny manatona mpitsabo raha miaraka amin’ireto soritr’aretina ireto izany:
-Mangetaheta be tsy ara-dalàna.
-Fihenana na fitomboan-danja tsy mazava ny antony.
-Havizanana mafy sy maharitra.
-Harerahana na fahatsapana ho malemy matetika.
-Hanoanana tsy mitsahatra na dia efa misakafo ara-dalàna aza.
Mety manambara olana ara-pahasalamana mila fanaraha-maso manokana ireo famantarana ireo.

Lire la suite

Articles Similaires