• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Pourquoi Docteur
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ireo soritr’aretina matetika atao tsirambina nefa tokony hahamailo

07/07/2026 16:44 © Moov.Mg

Maro amintsika no tsy miraharaha na manao tsirambina ireo olana madinidinika miseho amin’ny vatantsika amin’ny fiainana andavanandro. Rera-dava, marary an-doha matetika, na mihena lanja tampoka… matetika heverina ho vokatry ny adin-tsaina, tsy fahampian-tory na noho ny asa be loatra. Indraindray nefa ireo soritr’aretina eritreretina ho tsotra ireo dia mety ho fambara voalohany amin’ny olana ara-pahasalamana mila fitiliana sy fitsaboana.

Havizanana tsy mety misinda

Ara-dalàna ny fahatsapana reraka rehefa avy niasa mafy na nandalo andro feno asa sy raharaha. Raha maharitra herinandro maromaro kosa ny havizanana na dia efa naka aina tsara sy ampy torimaso, dia tsara ny manatona mpitsabo.
Mety izany ho vokatry ny:
-tsy fahampian'ny « fer » na vitamina;
-olana amin'ny « thyroïde »;
-areti-mitaiza;
-diabeta;
-aretim-po;
-na olana ara-tsaina toy ny fahaketrahana.
Raha miaraka amin'ny sempotra, fihenan-danja na fanaintainana tsy mahazatra io arerahana tsy mety afaka io dia tsara ny manao fitiliana.

Mihena lanja nefa tsy fantatra ny antony

Ara-dalàna ny fihenana lanja noho ny fanovana sakafo na fanatanjahan-tena. Fa raha mihena lanja tampoka nefa tsy nanova fomba fiainana dia ilaina ny manatona mpitsabo.
Mety izany ho famantarana:
-olana amin'ny fandevonan-kanina;
-diabeta;
-« thyroïde » miasa be loatra;
-aretina sasany;
-na, amin'ny tranga vitsy, aretina lehibe kokoa.
Raha very mihoatra ny 5 % amin'ny lanja mahazatra ao anatin'ny volana vitsivitsy nefa tsy misy antony mazava, dia ilaina ny manao fizahana ara-pahasalamana.

Marary an-doha tsy mahazatra

Maro ny olona marary an-doha tsindraindray ary matetika izany dia tsy mampidi-doza. Misy kosa nefa ireo toe-javatra tokony hitandremana:
-marary an-doha tampoka sady mafy be;
-mihamaro na mihamafy ny fanaintainana;
-miaraka amin'ny fahitana manjavozavo, fahasarotana miteny na fahaverezan'ny fifandanjana (équilibre);
-miaraka amin'ny tazo sy hatoka henjana.
Ilaina ny mijery mpitsabo haingana amin’ireo tranga ireo.

Fahasemporana tsy mahazatra

Ara-dalàna ny fahatsapana sempotra rehefa avy manao ezaka mafy. Raha toa kosa ka sempotra rehefa miakatra tohatra vitsivitsy na mandeha tongotra kely nefa tsy toy izany taloha, dia tsy tokony hatao tsirambina.
Mety izany ho vokatry ny:
-aretin'ny havokavoka;
-tsy fahatomombanan'ny fiasan'ny fo;
-tsy fahampian-drà;
-na aretina mahakasika ny lalan-drà sy ny fo.

Fanaintainana maharitra

Isan’ireo soritr’aretina matetika tsy rarahiana firy ny fanaintainan’ny lamosina, tonon-taolana, kibo na faritra hafa amin’ny vatana noho izy ireny heverina mandalo fotsiny ihany. Raha maharitra herinandro maromaro na miverimberina nefa izy ireny dia tsara hatrany ny manatona mpitsabo. Mety ho famantarana fivontosana mitaiza (inflammation chronique), aretina na olana hafa mila fitsaboana izany.

Kohaka maharitra mihoatra ny telo herinandro

Rehefa avy voan’ny sery dia mety mbola hikohoka mandritra ny fotoana fohy. Raha maharitra mihoatra ny telo herinandro izany, indrindra raha misy rà mivoaka rehefa mikohaka, fanaintainan'ny tratra na sempotra, dia tokony hijery mpitsabo.

Rahoviana no tokony hitady fitsaboana maika?

Misy soritr'aretina mila fitsaboana haingana, toy ny:
-fanaintainana mafy eo amin'ny tratra;
-fahasarotana miaina;
-fahalemen'ny ilany iray amin'ny vatana tampoka;
-fahaverezan-tsaina;
-fisavorovoroana (confusion) tampoka;
-tazo mafy miaraka amin'ny fienjanan’ny hatoka;
-fandehanan-drà be.
Amin'ireo toe-javatra ireo dia tokony hanatona tobim-pahasalamana haingana na sampana vonjy taitra.

Zava-dehibe ny mihaino ny vatana

Mampita hafatra amintsika ny vatana rehefa misy zavatra tsy mandeha tsara. Raha maharitra, miharatsy na toa hafahafa ny soritr'aretina iray, dia tsara kokoa ny manatona mpitsabo toy izay miandry izany hisinda ho azy. Matetika dia tsy avy amin’ny aretina lehibe no mahatonga ireo soritr’aretina nozaraina teo ambony ireo. Manampy betsaka kosa nefa ny fitiliana sy ny fitsaboana aloha raha misy aretina miafina ambadik’izy ireny.

Lire la suite

Articles Similaires