Fahasalamana : Tena mankarary marina ve ny hatsiaka ?
Maro ny olona mihevitra fa ny hatsiaka no mahatonga sery, gripa na aretina hafa rehefa mangatsiaka ny andro na rehefa vanim-potoana ririnina toy izao. Re matetika ny « manaova mafana tsara sao marary ! » Fa tena ny hatsiaka tokoa ve no mahatonga ireo aretina ireo ? Araho eto ny andinindininy tsara fantatra mikasik’izany.
Matetika voaendrikendrika ny hatsiaka
Raha ny marina, tsy ny hatsiaka mihitsy no miteraka areti-mifindra. Ny sery, ny gripa ary ny aretin'ny taovam-pisefoana sasany dia vokatry otrikaretina toy ny viriosy sy bakteria fa tsy noho ny fihenan'ny maripana.
Noho izany dia tsy voatery harary ny olona iray mijanona ela eny amin’ny toerana mangatsiaka raha toa izy ka tsy mifandray amin’ny viriosy na mikraoba mitondra aretina. Ny hatsiaka kosa nefa dia mety hamorona toe-javatra izay manamora ny fiparitahan'ireo aretina ireo.
Maninona no mora marary kokoa amin’ny vanim-potoana mangatsiaka ?
Misy antony maro mahatonga ny aretin'ny taovam-pisefoana hitombo rehefa mangatsiaka ny andro.
Mandany fotoana betsaka anaty trano isika
Rehefa mangatsiaka ny andro dia maro no misafidy ny hijanona anaty trano. Matetika nefa ny efitra, birao, sekoly ary fitateram-bahoaka dia mihibokiboka sy tsy ivezivezen’ny rivotra tsara. Izany dia manamora ny fiparitahana sy ny fifindran’ny otrikaretina izay mijanona eny amin’ny rivotra na mipetaka amin’ny zavatra samihafa rehefa misy olona mievina na mikohoka.
Misy viriosy maharitra kokoa amin'ny andro mangatsiaka
Hitan'ny mpikaroka fa misy viriosy sasany, indrindra ireo mahatonga sery sy gripa, no velona ela kokoa rehefa mangatsiaka sy maina ny rivotra. Isan’ny antony mahatonga azy ireo hiparitaka mora sy be kokoa amin’ny olona maro izany rehefa vanim-potoana ririnina.
Mety hihena vetivety ny fiarovan'ny vatana
Ny rivotra mangatsiaka sy maina dia mety hanamaina ny ao anaty orona sy ny tenda. Ireo faritra ireo anefa dia anisan'ny fiarovana voajanahary manakana ny mikraoba tsy hiditra ao amin'ny vatana. Raha maina loatra izy ireo dia mety ho mora kokoa amin'ny viriosy ny miditra sy miteraka aretina.
Mety harary ve rehefa lena na tsy manao akanjo mafana?
Tsy miteraka aretina mivantana ny fivoahana amin’ny volo lena, ny tsy fanaovana akanjo mafana na ny fahakotsahan’ny orana. Na izany aza nefa dia mety hahatonga ny vatana ho reraka na hangatsiaka loatra ny fijanonana ela ao anatin’ny hatsiaka.
Rehefa reraka ny vatana dia mety tsy hahavita hiaro tena tsara amin'ny mikraoba sy ny otrikaretina atrehiny. Noho izany, ny hatsiaka dia antony manampy ny aretina hiseho, fa tsy izy no tena fototry ny areti-mifindra.
Inona avy ireo aretina mifandray mivantana amin'ny hatsiaka?
Misy olana ara-pahasalamana sasany izay tena vokatry ny hatsiaka na mety hiharatsy noho izany, toy ny:
-« Hypothermie » na fangatsiahana tafahoatra ny vatana.
-« Engelures » izay fivontosana sy fahasimban'ny hoditra noho ny hatsiaka.
-Fitomboan’ny « crise d’asthme » amin’ny olona sasany.
-Fiharatsian'ny aretim-po sy lalandrà.
-Fanaintainana tonon-taolana sy hozatra.
Tsy viriosy no mahatonga ireo olana ireo fa ny fiantraikan'ny hatsiaka mivantana amin'ny vatana.
Inona no atao hampihenana ny « risques » tsy harary rehefa andro mangatsiaka ?
Ireto misy torohevitra tsotra afaka manampy:
-Sasao matetika ny tanana.
-Sokafy isan'andro ny varavarankely mba hampidirana rivotra madio.
-Aza mifandray akaiky amin'ny olona marary.
-Matoria ampy.
-Mihinàna sakafo voalanjalanja.
-Manaova fanatanjahantena tsy tapaka.
-Mitafia mifanaraka amin'ny toetrandro.




