• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cosmopolitan
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ireo soritr’aretina mety ateraky ny tsy fahampiana vitamina B12

03/09/2026 10:32 © Moov.Mg

Ny vitamina B12 dia otrikaina tena ilaina amin'ny fiasan'ny atidoha, ny rafi-pitatitra ary ny famokarana sela mena ao amin'ny rà. Na izany aza nefa dia mety tsy ho tsikaritra mandritra ny volana maro na taona maro mihitsy ny tsy fahampian'ity vitamina ity satria tsy voatery hiseho amin'ny endrika havizanana na tsy fahampian-drà fotsiny ny soritr'aretina. Maro arak’izany ireo olona mahatsapa fahasahiranana ara-pahasalamana samihafa nefa tsy mahafantatra fa mety avy amin’ny tsy fahampiana vitamina B12 izany.

Maninona no ilaina ny vitamina B12 ?

Ny vitamina B12, na « cobalamine », dia manana andraikitra lehibe amin'ny:
-Famokarana sela mena;
-Fitazonana ny fahasalaman'ny rafi-pitatitra;
-Famokarana ADN;
-Famadihana ny sakafo ho angovo.
Ao amin'ny sakafo avy amin'ny biby no tena ahitana azy, toy ny hena, trondro, atody ary vokatra avy amin'ny ronono. Mety ho mora tratran'ny tsy fahampian'ity vitamina ity ny olona tsy mihinana vokatra avy amin'ny biby, ny zokiolona ary ireo manana olana amin'ny fandevonan-kanina.

Fambara tsy fahampiana vitamina B12 : Havizanana tsy mety miala

Anisan'ireo famantarana tsy fahampiana vitamina B12 mahazatra indrindra ny havizanana. Ny mahagaga dia tsy mihena na misinda izany na dia efa ampy torimaso sy avy naka aina tsara aza.
Mety hahatsapa ho tsy kely hery foana ilay olona, toy ny hoe lany angovo mandrakariva. Ny fihenan’ny famokarana sela mena izay mitondra « oxygène » manerana ny vatana no mahatonga izany havizanana tsy mety afaka izany.

Fahatsapana manindronindrona na volivoly amin'ny tanana sy tongotra

Ny tsy fahampiana vitamina B12 ihany koa dia mety hahatonga fahatsapana manindronindrona na volivoly eny amin’ny tanana sy tongotra. Io vitamina io dia miaro ny « nerfs », ka ny tsy fahampiany dia mety hitarika fahasimbana tsikelikely amin’ireo « nerfs » ary hiteraka ireo fahatsapana hafahafa ireo.
Misy amin’ireo olona sasany tratry ny tsy fahampiana vitamina B1 aza no mahatsapa toy ny misy herinaratra mandeha na hafanana mandoro eny amin'ny tongotra.

Fahaverezan'ny fifandanjana sy olana amin'ny fivezivezena

Rehefa maharitra ny tsy fahampian'ny vitamina B12 dia mety ho voakasika ireo « nerfs » mandrindra ny hetsiky ny vatana. Raha izany no mitranga dia mety ho lasa sarotra tampoka ny mandeha mahitsy na mitazona fifandanjana (équilibre).
Vokatr'izany, mety ho mora tafintohina na tsy mahatsiaro ho marin-toerana (stable) rehefa mandeha ilay olona. Amin’ny beantitra sy ny zokiolona moa dia matetika afangaro amin’ny vokatry ny fahanterana io soritr’aretina io.

Fihenan’ny fitadidiana sy fahasahiranana mifantoka

Anisan’ny soritr’aretina tsy dia fantatra loatra ny olana ara-tsaina vokatry ny tsy fahampian’ny vitamina B12. Izany nefa dia mety hiteraka fihenan’ny fitadidiana, fahasahiranana mifantoka, fahatsapana misafotofoto ny ao an-tsaina, fihenan’ny fahaizana misaina mazava…

Fiovana tampoka eo amin'ny toe-po

Manampy amin'ny famokarana akora mifehy ny toe-po ao amin'ny atidoha ihany koa ny vitamina B12. Noho izany, ny tsy fahampiany dia mety hiteraka: fahasorenana matetika; tebiteby tafahoatra; fahakiviana; soritr'aretin'ny fahaketrahana. Amin'ny olona sasany dia ireo fiovana ara-pihetseham-po ireo no miseho voalohany alohan'ny soritr'aretina ara-batana.

Lela mena sy marary

Mety tsy ho eritreretin'ny olona ny hoe misy ifandraisany amin'ny vitamina ny olana ao am-bava. Ny tsy fahampian'ny vitamina B12 nefa dia mety hiteraka « inflammation » ny lela antsoina hoe « glossite ». Raha izany no mitranga dia mety ho mena be ny lela, mivonto, mora manaintaina, marary rehefa misakafo… Misy ihany koa ireo mahatsapa mavaivay ao am-bava na mihena ny fahatsapana tsiro.

Hoditra hatsatra na somary mavo

Rehefa tsy ampy vitamina B12 ny vatana dia mety hihena ny famokarana sela mena, ka mahatonga ny hoditra ho hatsatra kokoa noho ny mahazatra. Indraindray dia mety hisy loko mavo somary malefaka hiseho ihany koa amin'ny hoditra na amin'ny voamaso.

Olana amin'ny fahitana

Amin'ny tranga mafy kokoa, ny tsy fahampian'ny vitamina B12 dia mety hisy fiantraikany amin'ny « nerfs » mifandray amin'ny maso. Izany dia mety hitarika soritr’aretina toy ny fahitana manjavozavo, fihenan'ny fahazavan'ny fahitana; fahitana roa sosona amin'ny toe-javatra sasany. Raha mitranga izany dia mila manatona mpitsabo haingana.

Rahoviana no tokony hanatona mpitsabo?

Raha mahatsikaritra maromaro amin'ireo soritr'aretina ireo nefa tsy fantatra ny antony, dia tsara ny manatona mpitsabo. Matetika ny fitiliana rà tsotra dia ampy hijerena ny tahan'ny vitamina B12 ao amin'ny vatana sy hamantarana raha misy tsy fahampiana. Arakaraka ny maha-voamarina azy mialoha no maha-mora sitranina ny fahasimbana mety hitranga amin'ny « nerfs ».

Lire la suite

Articles Similaires