« Zoonoses »: ireo areti-mifindra avy amin'ny biby mankany amin'ny olombelona
Maro tokoa ankehitriny ny fifandraisana akaiky eo amin’ny olombelona sy ny biby, na ao an-trano, na amin’ny fiompiana, na eny ankalamanjana eny. Mila fitandremana hatrany nefa io fifandraisana io satria mety hitera-doza ny fifindran’ny aretina sasany avy amin’ny biby mankany amin’ny olombelona. Ireo aretina ireo no antsoina hoe « zoonoses ». Ny fahafantarana azy ireo dia manampy antsika handray ny fepetra ilaina hiarovana ny tenantsika sy ny manodidina antsika.
Inona no atao hoe « zoonoses »?
Ny « zoonoses » dia enti-milaza ireo aretina na otrikaretina izay mety mifindra amin’ny fomba ara-boajanahary eo amin’ny biby sy ny olombelona. Izy ireo moa dia mety ho vokatry ny karazana otrikaretina samihafa, toy ny viriosy, bakteria, katsentsitra, na holatra.
Mety hitranga amin'ny fomba maro ny fifindran'ny aretina, toy ny:
-fifampikasohana mivantana amin'ny biby voan'ny aretina;
-kaikitry ny biby na ratra ateraky ny hohony;
-fihinanana sakafo voapoizina na misy otrikaretina;
amin’ny alalan'ny bibikely mpanelanelana, toy ny moka sy ny kongona;
-fifampikasohana amin'ny toerana na zavatra misy otrikaretina.
Ohatra amin'ireo « zoonoses » malaza
Maro amin'ireo aretina mahazo ny olombelona no avy amin'ny biby. Anisan'ireo « zoonoses » fahita indrindra ny:
-Ny haromotana, izay mifindra indrindra amin'ny alalan'ny kaikitry ny biby voan'ny aretina;
-Ny « toxoplasmose », izay mety ho avy amin'ny saka na sakafo sasany misy otrikaretina;
-Ny « Maladie de Lyme », izay mifindra amin'ny alalan'ny kaikitry ny kongona;
-Ny « salmonellose », izay matetika mifandray amin'ny sakafo voapoizina;
-Ny « leptospirose », aretina ateraky ny bakteria izay mety ho avy amin'ny pipin'ny biby voan'ny aretina.
Misy amin'ireo « zoonoses » ireo no miteraka soritr'aretina malefaka, fa misy ihany koa ireo mety hiteraka fahasarotana lehibe raha tsy voatsabo ara-potoana.
Inona avy ireo soritr'aretin'ny « zoonoses »?
Miankina amin'ny karazana aretina ny soritr'aretina, saingy ny ankamaroan’izy ireo dia mety ahitana:
-tazo;
-aretin'andoha;
-havizanana;
-fanaintainan'ny hozatra;
-olana amin'ny fandevonan-kanina;
-fahasimban'ny hoditra;
-fahasahiranana amin'ny fifohana rivotra amin'ny tranga sasany.
Raha misy soritr'aretina tsy mahazatra miseho aorian'ny fifampikasohana amin'ny biby na taorian'ny dia natao tany amin'ny faritra iray, dia tsara ny manatona mpitsabo.
Iza avy no tena mora tratran'ny « zoonoses »?
Misy olona sasany mora voan'ny « zoonoses » kokoa, toy ny:
-ny ankizy madinika;
-ny zokiolona;
-ny vehivavy bevohoka;
-ireo manana hery fiarovana ambany;
-ireo miasa akaiky amin'ny biby.
Tokony hitandrina manokana ireo sokajin'olona ireo mba hampihenana ny mety ho fifindran'ny aretina.
Ahoana ny fomba atao hisorohana ny « zoonoses »?
Ny fisorohana ny « zoonoses » dia mifototra amin'ny fepetra tsotra nefa tena ilaina.
-Manasa tanana matetika : Ny fanasana tanana aorian'ny fifampikasohana amin'ny biby, ny fitaovany, na ny malotony dia anisan'ny fomba mahomby indrindra hiarovan-tena.
-Mikarakara ny fahasalaman'ny biby : Ny fitondrana tsy tapaka ny biby any amin'ny mpitsabo biby, ny fanaovana vaksiny, ary ny fanaraha-maso ara-pahasalamana dia manampy amin'ny fisorohana ny aretina.
-Manaja ny fahadiovan'ny sakafo : Zava-dehibe ny fandrahoana tsara ny sakafo avy amin'ny biby, ny fanasana ny voankazo sy legioma, ary ny fanarahana ny fitsipika momba ny fahadiovana ao an-dakozia.
-Miaro tena amin'ny bibikely mpanelanelana : Ny fanaovana akanjo manarona vatana sy ny fampiasana fanafody manohitra bibikely dia afaka mampihena ny mety ho fifindran'ny aretina sasany.
-Misoroka ny fifampikasohana amin'ny bibidia marary : Tsy tokony hikasika bibidia na biby mirenireny marary na maty raha tsy manana fitaovana fiarovana sahaza.
Andro Maneran-tany ho an'ny Zoonoses
Ankalazaina isan-taona ny 6 Jolay ny Andro Maneran-tany ho an'ny Zoonoses. Ity andro ity dia natao hampahafantarana ny olona ny loza ateraky ny areti-mifindra avy amin'ny biby mankany amin'ny olombelona sy hanamafisana ny maha-zava-dehibe ny fisorohana. Tsaroana amin'ity andro ity ihany koa ny nahavitan'ny mpahay siansa Louis Pasteur nanome ny vaksiny voalohany hiadiana amin'ny haromotana tamin'ny taona 1885. Fotoana iray izy io hanentanana ny fiaraha-miasa eo amin'ny sehatry ny fahasalaman'ny olombelona, ny biby ary ny tontolo iainana.




