Fihaonambe nasiônalin’ny FFKM : Ho enti-manomana ny fikaonan-doham-pirenena ho amin’ny fanavaozana
Nisokatra tamin’ny fomba ôfisialy androany 19 mey 2026 teny amin’ny FJKM Ankadikely Ilafy ny fihaonambe nasiônaly karakarain’ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara (FFKM). Haharitra telo andro ny fihaonana, izay tanterahina eny amin’ny FOFIKRI Ilafy, izay ho fanomanana ny fikaonan-doham-pirenena kasain’ny Fanjakana Malagasy hotanterahina ny 3 jona 2026.
Fikaonan-doha ho fanarenana ny firenena
Fotoam-pivavahana no nentina nanokatra tamin’ny fomba ôfisialy ny fihaonamben’ny FFKM, izay notanterahina androany teny amin’ny FJKM Ankadikely Ilafy. Nanatrika izany ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny Kôlônely Randrianirina Michaël, niaraka tamin’ny minisitry ny Fanavaozana sy ireo tomponandraikitra ara-pivavahana ao anatin’ny FFKM, notronin’ieo tomponandraiki-panjakana isan-tsokajiny. Mandritra ny telo andro no hanatanterahana ny fihaonambe eny amin’ny FOFIKRI Ilafy. Isan’ny tanjona ny fanomanan’ny FFKM ny fandraisana anjara amin’ny fikaonan-doham-pirenena izay hotontosaina amin’ny volana jona ho avy izao.
Nandritra ny lahateniny, nanamafy ny filohan’ny FFKM, ny eveka anglikanina, Mgr Ranarivelo Samoela Jaona, fa tsy tokony horaisina ho hetsika ara-pôlitika fotsiny ny fikaonan-doham-pirenena. Nomarihiny fa lalana iray hitondrana fiovana lalina eo amin’ny firenena izany. Araka ny nambarany, ny tena fanavaozana dia miainga amin’ny fiovan’ny olona tsirairay, ny fiovam-piangonana ary ny fanarenana ny ara-moraly. Tena ilaina, hoy izy, ny famerenana ny fifampitokisana eo amin’ny mpitondra sy ny olom-pirenena, mba hananganana indray ny firenena, miaraka amin’ny fanarenana ny hasin’ny maha-olona sy ny fanamafisana ny firaisankina.
Fitadiavana vahaolana maharitra
Nasongadiny manokana ihany koa ny anjara toeran’ny tanora amin’izao dingana fanavaozana izao. “Ny tanora no azo heverina ho lalana nampiasain’Andriamanitra nahatongavana amin’izao”, hoy izy nandritra ny toriteniny.
Etsy an-danin’izany, nambaran’ny Mgr Ranarivelo Samoela Jaona fa ilaina ny fananana toe-tsaina vaovao raha tiana hahomby ny fanavaozana. Araka ny fanazavany dia tokony handray ny lalan’ny fanetren-tena, ny fahamarinana ary ny fahasahiana hijoro sy hanatanteraka ny adidy ny rehetra, raha tena tiana ho tanteraka izany. Nomarihiny fa tsy maintsy manaiky hijery ny ho avy sy hiaiky ny fahadisoana momba ny tsy fahombiazana teo aloha ny mpisehatra rehetra, ary koa hanana finiavana hihaino ny fijalian’ny vahoaka sy hitady vahaolana maharitra ho an’ny taranaka ho avy.
Mangataka faharetana ny fitondrana Fanavaozana
Nandritra ny fandraisam-pitenenany, nilaza ny Kôlônely Randrianirina Michaël fa mbola mitohy ny ezaka ataon’ny fitondrana Fanavaozana. Nangatahiny ny faharetan’ny olom-pirenena sy ny fivavahan’ny rehetra mba hahafahan’ny fanavaozana miroso. Nampiany fa efa hita any amin’ny faritra maro ny vokatra sasantsasany amin’izany ezaka izany, indrindra momba ny famatsian-drano amin’ireo toerana tsy nisitraka izany nandritra ny taona maro. “Tsy fito volana no hamerenana ny zavatra lo nandritra ny taona maro”, hoy izy nanazava.
Nilaza ihany koa ny filohan’ny Fanavaozana fa noho ny fitokisana apetraky ny fitondrana amin’ny fiangonana no antony nanolorana tamin’ny FFKM ny fitarihana ny fikaonan-doham-pirenena. Araka ny nambarany, tsy vitan’ny fitondrana irery ny fanavaozana. “Matoky ny fiangonana izahay, fa ny fiangonana tsy voavidy vola, tsy ampitenenin’ny mpanao pôlitika”, hoy ny Kôlônely Randrianirina Michaël. Namporisihiny ihany koa ny fiangonana hilaza tsy am-pihambahambana izay heveriny fa tsy mety amin’ny fitantanana ny firenena. Araka ny fantatra moa dia nanolotra vola mitentina 150 tapitrisa Ariary ny fitondram-panjakana, ho fanohanana ny fikarakarana ity fihaonambe nasiônaly karakarain’ny FFKM ity.




